La Gazette de la grande ile

Lalàm-pifidianana: Ny depiote HVM ihany no mahazo manao tatitra amin’ny vahoaka

Publié le 14 avril 2018

Mbola voaporofo hatrany fa mpitondra jadona ary tsy mahazaka demôkrasia no mitantana ny firenena, amin’izao fotoana izao. Tsy ny mpanao pôlitika tsotra na ny sendika intsony izao no sakanana tsy hanao famoriam-bahoaka ankehitriny fa hatramin’ireo depiote ihany koa. Mazava ho azy fa tsy ireo depiote mpisolelaka sy manohana ny fitondrana ankehitriny no voakasik’izany fa ireo depiote mpanohitra avy amin’ny TIM sy ny Mapar ihany. Tao aorian’ny fandaniana ny lalàm-pifidianana vaovao teny amin’ny Antenimierampirenena dia misy amin’ireo solombavambahoaka, na ireo mpanohana ny fitondrana na ireo mpanohitra, no manana eritreritra ny hanao tatitra na hitondra fanazavana amin’ireo vahoaka nifidy azy mikasika ilay lalàm-pifidianana vaovao. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, nanatanteraka izany teny amin’ny kaominina Ankaraobato teny ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano, Jaona Elite. Tontosa soa aman-tsara izany satria tsy nisy ny fandraràna avy amin’ny préfet ary tsy nisy ny sakantsakana avy amin’ny Emmo-Reg na dia olona maro notambazana vola sy notaomina tamin’ny fiara aza no nanotrona izany. Azo heverina fa mbola hisy amin’ireo solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana no hanao izay tatitra izay, any amin’ny distrika naha voafidy azy ireo. Tsy manana izany zo sy fahefana manao tatitra amin’ny vahoaka izany kosa ireo depiote avy amin’ny Mapar sy ny TIM. Any Toamasina ohatra, nikàsa ny hamory vahoaka sy hitondra fanazavana amin’ny fomba fahitan’izy ireo ny lalàm-pifidianana vaovao ireo depiote Mapar voafidy amin’iny faritanin’i Toamasina iny, amin’ity faran’ny herinandro ity. Toy ny fomba fanao dia nampahafantatra ny préfet ao an-toerana ireto farany, omaly anefa dia nilatsaka ny didy fa tsy mahazo manao izany famoriam-bahoaka sy fanaovana tatitra izany ireto depiote mpanohitra ireto. Toe-javatra izay mbola manaporofo hatrany fa ny antoko HVM sy ireo mpanao pôlitika mpanohana azy irery ihany no mahazo manao hetsika pôlitika eto amin’ity Madagasikara ity fa ny ankoatra izay kosa dia tapenam-bava avokoa.

                                                                                                F.Tsihiavonana

Lire aussi