La Gazette de la grande ile

Hery Rajaonarimampianina: Revin-gadra hatrany am-boalohany

Publié le 20 juin 2018

Lapan’Iavoloha, 25 Janoary 2018. Tamin’io andro io no nanambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amina fomba mipoapoaka fa ho raikitra ny « Fisandratana 2030 ». Asa aloha izay ho tohiny fa raha resaka fampanantenana aloha dia ity misy tsiahy hampieritreritra ny rehetra. Porofo koa ity fa toa mora manadino Raolombelona an !

Izao manaraka izao ny fanambarana nataony ny 2 Novambra 2015, tao amin’ny hotely Carlton Anosy, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety :

« Maninona no tsy noresahina ny « îles éparses » ? Iza moa ny tena mivohy an’izy io ? Rehefa mandeha io resaka io, dia hoy aho hoe : izay ve no tena maika eo, amin’ilay araka ny teninao hoe, handao hijery ny « insécurité » isika ; handao hijery ny fampandrosoana isika ; handao hijery ny mosary izay misy etsy sy eroa isika, ireo izao no zavatra  ngezabe!

Isika, misy adihevitra tokony hatao eto. Hoy aho hoe, ilay adihevitra hatao eto anisan’ny zavatra ngezabe. Aoka tsy adihevitra ohatran’izany no entina hanakorontanana. Efa amam-polo taona io no teo, ary ireo izay efa niadihevitra nandritra izay amam-polo taonany izay indray hoe hametraka ilay izy, izy ary tsy nahavita ilay izy sady tsy nanao an’ilay izy no tsy nitondra ilay izy hatramin’ny farany.

Nisy fotoana tsy noresahina izy io mihitsy. Nefa ilay tany ao ihany e ! Tsy hoe nilentika akory tamin’ny fotoana sasany dia noho tonga i Rajaonarimampianina dia nipoitra indray ilay izy, ka handao resahina ilay izy. Fa hoy aho e, efa misy dinidinika nifanaovana tamin’io an, tamin’ireo firenena a a a, tahaka ny Frantsa moa izay voakasika io zavatra io an. Dia misy izany adihevitra hatao momba ilay izy an, dia hoy aho hoe ho jeren-tsika…».

Fa tena manao ririnina tsy tsaroana tokoa ity filoha voafidy tsy mitàna ny teny nomeny ity e ! Na ireo nifidy anao na ireo tsy nifidy anao dia mahatadidy fa ianao anie no nanambara ho re tany ho ren-danitra, tao amin’ny Carlton, ny 23 Oktobra 2013 fa « hiady ary hiady mafy » momba ireo nosy ireo e ! Ireo no anisan’ny antony nifidianana anao, toa ny mikasika ny « délestage » izay nitrikitrihinao fa «volana 3-6 eo io « délestage » io dia tsy hisy intsony eran’i Madagasikara ». Ary dia lasa  « ilay izy » sy « zavatra » ny nosy MALAGASY feno harena trandrahan’ny sasany fotsiny.

Amin’izao fotoana izao indray izany dia lasa hadihevitra  « hanakorontanana » ny mikasika ny nosy MALAGASY? Izahay tsy mandraharaha izay nataon’ireo filoha voafidy teo alohanao. Voadakan’ny vahoaka daholo koa moa izy rehetra. Sa lainga koa izany? Fa ny ho avy no hatrehina. Sokafo ny maso dia vakio im-polo io manaraka io !

Ny Firenena Mikambana no nandroso sosokevitra ary nanery mihitsy aza ny governemanta frantsay, ny hamerenena ireo nosy MALAGASY ireo. Tsy anjaran’izany fitondrana tetezamita izany (nisy enina izany tetezamita izany teto Madagasikara) ny manao ny paik’ady rehetra. Tonga ilay repoblika faha-efatra izay ianao kandida Hery Vaovao faha-3 no lasa filohany voalohany. Anjaranao, araka ny voalazanao tao amin’ny Carlton, ny manaraka ny sosokevitry ny Firenena Mikambana, satria fitondrana  « voafidim-bahoaka » sy ara-dalàna no entinao. Sa tena manao toa ireny olona mangidihidy atraoarina ka miandry an’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana indray hampahatsiahy ? Ie, tonga ianao Hery Rajaonarimampianina, ary dia adidinao sy anjaranao ny mitsinjo ny taranaka malagasy iray manontolo. Io « zavatra » io dia manana harena amina miliara dôlara. In-efatra ianao no niteny tao amin’ny Firenena Mikambana (2014, 2015, 2016, 2017). Niandrandra ny vahoaka malagasy. Saingy io valiny mampiteny ny moana io no re hatrany hatrany.

Lasa « adihevitra hanakorontanana » indray. Loza izany ! Ny mpitondra matsilo, Tompoko, mametraka fahatsiarovana tsara rehefa miala eo amin’io toerana hifandimbiasana io. Sa ianao ho eo mandra-maty? Velona izao ary ianao dia efa sahin’ny maro  an’isa ny miteny hoe Rajaonarimampiesona sy Miala Rajao. Ianao izao ny olona tena manakorontana ny firenena malagasy iray manontolo ! Ary raha mbola velona’aina aho tsy maintsy miteny ny zava-drehetra nosimbanao satria zoko izany ary mbola ho zava-doza hafa noho izao no hanjo ny Malagasy. Satria efa miditra ao anaty jadona tanteraka matoa nosy MALAGASY tokony hiantoka ny ho avin’ny Malagasy iray manontolo no anaovana valiny borainginy lava izao. « Ho jeren-tsika » amin’ny ahoana ? Mbola resaka eo ambony vavahady izany. Tsy misy mahatoky anao intsony anie ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy fa aza miziriziry mamita-tena e ! Ho jerem-potsiny toa ny  « délestage » ?

Any amina firenena manana mpitondra endry sy matsilo saina dia roa taona monja dia efa mivaingana izany fampandrosoana izany. Ny anao mbola « hiadihevitra » sy « Fisandratana » tsy mankaiza, eny na amin’ny taona 2060 aza. Ady tena ady izao no atrehin’ny vahoaka malagasy. Ady amina olona tsy vonona ny hahasoa azy fa be resaka eny ihany ka na ny vazaha ivavahany aza mihomehy azy amin’izato kabary eo ambonina « ressorts » sy ny tànana mamafa vava lava sao mivoaka eo ilay hoe :

« Ianareo no te-hifidy ahy ». Dia tena mihevitra mihitsy ianao io fa tsy azo atao n’inona n’inona (« intouchable ») hatramin’ny fifidiana ho avy an?

Izaho tsy mpaminany fa tohizo foana, Tompoko, ny «fahaizanao » mampandry adrisa fa eo izahay mpanao gazety hametraka soratra, sary ary vidéos sao ao aoriana ao mbola sahy hilaza fa: « tsy nanao izany aho ». Tsy ny governamantan’i Ntsay Christian no hampiova n’inona n’inona eo amin’ny ho avinao,efa manjombona fa navotan’i Jean Eric Rakotoarisoa (Hcc) in-droa. Be loatra an… Marina fa ny tarehy ratsy azo ovana saingy ny toetra ratsy tena… tantara ny manova azy. Toa tanàna zatra mitsotra io e… ! Tsy fotoanany intsony ny fialana balà amin’ny  hoe : « ny manodidina ahy no tena ratsy ». Efa efatra taona mahery izao no lasa ka tsy any intsony ny olana fa ny fahaizana hitondra ny firenena any an-davaka ka raisin’ny vazaha fotsiny, nefa mbola asesika ihany ny vomanga izay hakenda roroka. Koa maninona tokoa moa no tsy hamidy tsotra izao ireo nosy Malagasy ireo e ? Fa tadidio lalàn-dava fa tsy misy paosy ny lambamena ary ny lehilahy masahy ihany anefa no mifono lambamena fa tsy ny kanosa velona.

Revin-gadra hatrany am-boalohany ny anao ka ho nofy ratsy tsy hahitanareo torimaso intsony mandrapialanareo eo amin’io fitondrana io no anjanareo Hvm… Jereo sahady anie fa miady an-trano e ! Avy any amin’iza anefa ? Anontanio i… Paoly.

Ary tena mahazendana mihitsy satria raha tsy nisy izany ity lahatsoratra fampahatsiahivana ity, dia tsy nisy resaka intsony ireo nosy malagasy ireo !

Jeannot Ramambazafy

 

 

 

 

 

 

 

Lire aussi