La Gazette de la grande ile

Antananarivo: Tsy misy jiro intsony ny “ Poteaux”

Publié le 21 juin 2018

Tsy misy jiro intsony maneran’ny “ Poteaux” ny Jirama manerana an’Antananarivo ankehitriny. Tsy mahagaga raha mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy sy ny fanendahana eto andrenivohitra. Hatrany amin’ny araben’ny fahaleovan-tena no tsy misy jiro mirehitra intsony amin’ny alina. Manome vahana ny tovovavy zanaky ny alina izany sy ireo lehilahy mpijangajanga. Ny Jiro eny amin’ny trano amin’ny “arcade” sisa manazava ao amin’ity toerana malaza ity. Tsy ahafantarana olona intsony ny mandeha haruiva ao Analakely ankehitriny.  Analakely izay taratry ny fandrosoana eto Madagasikara  tanteraka. Ny fandehanana any amin’ny boriborintany fito eto andrenivohitra dia tsy azo atao intsony manomboka amin’ny valo ora alina. Maizim-pito ny toerana rehetra.

Raha ity raharaha ity no asian-teny dia nihemotra any amin’ny zato taona mahery ny renivohitr’ i Madagasikara ankehitriny. Tsy hita intsony ilay Antananarivo mirehitra jiro izay nokaloin’ny mpanakanto fahiny. Raha mahita izao zavatra izao angamba ny olona nanoratra ireny hira sy tononkalo ireny dia ahoana no hataony? Tena nihemotra ny fandrosoana eto Madagasikara. Ity Antananarivo ity no azo andrefesana izany. Lany andro amin’ny taim-bava sy ny fifanenjehana politika fotsiny ny mpitondra sy ny mpanao politika fa tsy misy mijery ny tombotsoam-bahoaka intsony.

J.B.

Lire aussi