La Gazette de la grande ile

Fifidianana filoham-pirenana: Tokony hisy ny fifanarahana pôlitika eo amin’ireo kandidà

Publié le 24 juin 2018

Na eo aza ny fanambarana etsy sy eroa avy amin’ireo mpanao pôlitika izay mitsipaka ny fanatanterahana fifidianana filoham-pirenena, amin’ity taona 2018 ity, dia tsy hihemotra ny governemanta tarian’i Ntsay Christian. Ny fikarakarana izay fifidianana izay raha teo no laharam-pamehana voalohany ho an’ny governemanta mijoro ankehitriny. Tao anatin’ny andro vitsy izao no efa miara-mikaondoha mijery ny tetiandrom-pifidianana hapetraka eto amin’ny firenena ny fahefana mpanatanteraka sy ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Efa maherin’ny 20 moa amin’izao fotoana izao ireo olona fantatra fa hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ao ny mpanao pôlitika mazava ho azy, ny mpitondra fivavahana, mpandraharaha ary mpanakanto. Ny ahiahy mipetraka eo amin’ny olom-pirenena maro sy ny mpanao pôlitika sasany anefa dia ny krizy vaovao mety haterak’izany  fifidianana izany. Antony mahatonga azy ireo mangataka amin’ny tokony handaminana aloha ny toe-draharaham-pirenena mba tsy hisian’izay krizy pôlitika vaovao izay. Raha tena tsy maintsy hiroso amin’izany ny governemanta, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana sy ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny 25 mey lasa teo, dia tokony hanome toky ny vahoaka malagasy ireo mpitondra sy ireo rehetra hilatsaka ho fidiana fa tena handamina ny savorovoro pôlitika misy eto amin’ny firenena ankehitriny, ary tsy hiteraka korontana intsony ny fanatanterahana ny fifidianana. Mazava ho azy fa iray ihany no antony mety hahatonga krizy na korontana aorian’ny fifidianana dia ny mety ho tsy faneken’ny kandida sasany ny vokam-pifidianana hivoaka eo. Izay foana mantsy ny olana niseho teto amintsika isaky ny misy ny fifidianana, indrindra fa fifidianana filoham-pirenena. Manoloana izany indrindra, mba ho fanomezana toky ny vahoaka malagasy fa hilamina ny firenana ary hipetraka ny fitoniana pôlitika, dia tokony hanao fifanarahana pôlitika ihany koa ireo kandidà rehetra hilatsaka ho fidiana. Fifanarahana izay manery ireo kandidà rehetra amin’ny tokony hanajan’izy ireo ny vokatra ho avoakan’ny CENI sy ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay mamoaka ny vokam-pifidianana ofisialy. Raha izay mantsy no tanteraka dia azo antoka fa tsy hisy krizy vaovao intsony eto amintsika, mandritra sy aorian’ny fifidianana. Tsy hatao miafina toa ny nananganana ny governemanta akory io fifanarahana pôlitika io fa hatao mazava tsara ary hampafantarina ny Malagasy rehetra. Amin’izay fotoana izay mantsy, tsy hisy intsony ny kandida hilaza fa tsy nahafantatra ny fisian’izay fifanarahana pôlitika izay ka mbola hitsipaka ny vokam-pifidianana hivoaka eo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi