La Gazette de la grande ile

FFKM: Ny filohan’ny EEM irery ihany no tonga teny Mahamasina

Publié le 27 juin 2018

Isan’ny nanamarika ny matso teny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, omaly, ny fahabagan’ny toerana natokana ho an’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM. Tahaka ny mahazatra dia eny amin’ny “tribune centrale”, tsy lavitra ny toerana natokana ho an’ireo lehibena andrim-panjakana sy filoha teo aloha no hametrahana ireo filoham-piangonana. Banga ny toerana satria tsy namaly ny fanasana, na koa tsy tonga nanome voninahitra ny matso nataon’ny foloalindahy ny lehiben’ny EKAR, ny filohan’ny FJKM ary ny filohan’ny FLM na ny Fiangonana Loterana Malagasy. Ny filohan’ny Fiangonana Anglikanina eto Madagasikara (EEM) irery ihany no tazana teny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, nandritra ny fotoana nanaovana ny matso iray manontolo, omaly. Tsy azo hodiana tsy hita moa ny trangan-javatra toa izany satria fetim-pirenena ary fetin’ny foloalindahy no nankalazaina teny Mahamasina. Mipetraka ary ny fanontaniana : “tena tsy afa-nanoatra tokoa ve ireto filoham-piangonana telo ireto matoa tsy tonga nanatrika ny matso sa misy ny antony ara-pôlitika?”. Ny rehetra mantsy dia samy mahafantatra fa tsy misy zavatra mandeha ho azy izany amin’ny resaka pôlitika. Tsara ny manamarika fa mbola ny arsevekan’Antananarivo aloha hatreto no lohan’ny fiangonana katolika eto Madagasikara satria mbola tsy voahosotra amin’ny fomba ofisialy ny kardinaly vaovao voatendry, ny Mgr Tsarahazana Désiré. Na izany aza anefa, tsy tonga  nanome voninahitra ny matso teny Mahamasina ny Mgr Odon Razanakolona, arsevekan’Antananarivo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi