La Gazette de la grande ile

Mbola Rajaonah: Ho kandidà filoham-pirenena koa ?

Publié le 27 juin 2018

Mitombo isa hatrany ireo olona fantatra fa hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Maro izy ireo no efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny maha kandidà azy, isan’izany ohatra ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo, ny pasitera Mailhol, Josey Vianey, Arlette Ramaroson, fa mbola maro koa anefa ireo tsy mbola nanao fanambarana saingy efa fantatra fa anisan’ireo hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia fantatra fa hilatsaka ho fidiana ihany koa ny mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena Mbola Joseph Rajaonah na i Mbola Tafaray. Somary nanaitra ihany moa ny fahafantarana izay vaovao izay satria anisan’ireo akaiky ny filoham-pirenena mivady ingahy Mbola Rajaonah ary niasa mafy tamin’ny fitazomana ny sezan-dRajaonari-mampianina, tao anatin’izay efa-taona mahery izay. Raha toa ka tena ho kandidà ho filoham-pirenena tokoa i Mbola Rajaonah, midika izany fa tsy hiara-dia amin’ny antoko HVM sy ny filoha am-perinasa intsony ny tenany ka handeha irery hiatrika fifidianana. Tsara marihana fa niteraka disadisa anatiny eo amin’ireo samy HVM ny fananganana ny governemantan’ny marimaritra iraisana tarian’i Ntsay Christian. Disadisa izay niteraka ady mangatsiaka eo amin’i Rivo Rakotovao sy ingahy Mbola Rajaonah. Nahitàna taratra izany ny tsikera namaivay nataon’ireo gazetin’ity mpanolontsain’ny filoha ity ny minisitry ny serasera vaovao, Riana Andriamandavy VII. Asa moa raha noho izay disadisa anatiny misy eo anivon’ny antoko HVM izay no nandrisika an’i Mbola Rajaonah hilatsaka ho fidiana, sa efa eritreriny hatry ny ela ny ho kandidà ho filoham-pirenena?

D.R.

Lire aussi