La Gazette de la grande ile

Filankevi-panjakana: Tsy noraisina ny fitorian’i Hanitra Razafimanantsoa

Publié le 28 juin 2018

Fandresena no azon’ny governemanta tarian’i Ntsay Christian. Nivoaka omaly ny didy ka nolavin’ny filankevi-panjakana ny fitoriana napetraky ny solombavam-bahoaka Hanitra Razafimanantsoa, izay mangataka ny fanafoanana ny didim-panjakana manendry ireo mpikambana ao anatin’ny governemantan’ny marimaritra iraisana, ny 11 jona lasa teo. Tsiahivina ihany fa antony nametrahan’ny maitre Hanitra Razafimanantsoa izay fitoriana teo anivon’ny filankevi-panjakana izay ny fahitan’ireo depiote mbola manohy ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey fa tsy mifanaraka amin’ny didy na fanapahana navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, laharana 18-HCC/D3 natao tamin’ny 25 mey 2018, ny fomba nanendrena ireo minisitra ao anatin’ny governemanta mijoro ankehitriny. Ho azy ireo mantsy dia tokony niainga tamin’ilay didy navoakan’ny CES (Cour Electorale Speciale) tamin’ny 6 febroary 2014, izay manambara ny vokatra ofisialin’ny fifidianana solombavam-bahoaka natao tamin’ny taona 2013, ny fanendrena ny governemanta vaovao. Nisy noho izany ny tsy fanajàna ny didin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, raha ny hevitr’ireo depiote mpitolona eny an-kianja. Ity fandavan’ny filankevi-panjakana ny fitorian’ny maitre Hanitra Razafimanantsoa ity dia midika fa tsy azo atao na inona na inona intsony ny governemanta mijoro ankehitriny na dia eo aza ny fanoherana avy amin’ireo mpanao pôlitika maro.

F.Tsihiavonana

 

 

Lire aussi