La Gazette de la grande ile

Riana Andriamandavy: Nanodinkodina vola 190 tapitrisa ariary ?

Publié le 28 juin 2018

Fito taona aty aoriana, nivoaka ny raharaha maloto iray nataon’i Riana Andriamandavy VII, tamin’ny fotoana naha minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana azy, nandritra ny fitondrana tetezamita. Vola mitetina hatrany amin’ny 190 tapitrisa ariary no navoaka tao amin’ny ministeran’ny fizahantany sy ny asa tanana tamin’izany fotoana izany, tsy fantatra mazava anefa izay tena nandaniana sy nanaovana an’io vola io mandrak’ity ny androany. Tahaka izao moa ny fandehan’ny raharaha raha hiverenana kely amin’ny antsipirihany. Tamin’ny taona 2011, nitantana ny ministeran’ny fizahantany sy ny asa tanana i Riana Andriamandavy tamin’izany fotoana, tao anatin’ny governemantan’i Camille Vital. Ny 14 oktobra 2011 dia nisy ny fifanarahana na “convention” natao teto Antananarivo, nosoniavin’ny minisitra Riana Andriamandavy sy ramatoa Rakotomalala Haritiana Lalaina Elisa, ity farany izay mpitantana sampandraharaha mpikarakara hetsika iray antsoina hoe “Panoramic Concept”. Voarakitra ao anatin’io fifanarahana nosoniavina io fa tokony hanome vola mitetina 190 tapitrisa ariary ho an’ny orinasa Panoramic Concept ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny ministeran’ny fizahantany sy asa tanana. Ny antony dia satria hoe nandray anjara tamina hetsika iraisam-pirenena roa tany ampitandranomasina ny sampandraharaha Panoramic Concept ka tokony averin’ny fanjakana malagasy ny vola rehetra lanin’ity sampandraharaha ity tamin’ireo hetsika roa ireo. Ny hetsika voalohany dia natao tany Istanbul, any Turquie, ny faha 09 hatramin’ny 13 mey 2011. Karazana fampiratiana ho fampiroborobona ny sehatry ny fizahantany aty amin’ny tany mahantra no notanterahina  tany Istanbul tamin’io fotoana io, ka ny Panoramic Concept no nampiranty ny mombamomba an’i Madagasikara tao anatin’izay fampiratiana iraisam-pirenena izay. Ny hetsika faharoa kosa dia ny fivoriambe andiany faha 19 ny OMT na ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fizahantany, notanterahina tany Gyengju, any Korea Atsimo, ny faha 08 hatramin’ny 14 oktobra 2011. Voalaza moa fa nandray anjara tamin’io fivoriambe io koa ny Panoramic Concept, nisolontena ny firenena malagasy. Ny zava-misy anefa, rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy tonga nandray anjara tamin’ireo hetsika roa ireo akory ity sampandraharaha tsy miankina ity, na ny tany Instanbul na ny tany Gyengju. Mipetraka noho izany ny fanontaniana: “Inona no antony nanomezan’ny ministeran’ny fizahantany sy ny asan-tanana vola 190 tapitrisa ariary ho an’ny Panoramic Concept kanefa tsy nisy na inona na inona nataony akory?”Tsy vitan’izay ihany anefa fa raha ny fantatra dia sakaizan’ingahy Riana Andriamandavy VII ramatoa Rakotomalala Haritiana Lalaina Elisa, tamin’izany fotoana izany. Ity farany izay efa voalaza tetsy ambony fa tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Panoramic Concept. Izany trangan-javatra manjavozavo izany no ahafahana milaza fa mety fanodinkodinam-bolam-bahoaka no nataon’i Riana Andriamandavy VII tamin’ity fifanarahana natao tamin’ny taona 2011 ity. Raha ny volan’ny minisitra manokana moa no nomena ny Panoramic Concept, heverina fa tsy tokony hisy ny olana na ny kely aza, saingy volam-bahoaka no resaka eto dia tsy azo avela amin’izao fotsiny ity raharaha ity fa tokony hisy ny fanadihadiana lalina avy amin’ireo rafitra na sampandraham-panjakana voakasika mivantana amin’izany.

F.Tsihiavonana  

 

 

Lire aussi