La Gazette de la grande ile

PM Ntsay: Tsy noraharahian’ireo depiote

Publié le 29 juin 2018

Araka ny fandaharam-potoana dia omaly no tonga teny amin’ny Antenimierampirenena, namelabelatra ny programan’asa ankapobeany ny fanjakana, ny praiminisitra Ntsay Christian. Mazava ho azy fa tonga nanotrona izany famelabelarana nataon’ny praiminisitra izany ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta, izay voatendry ny 11 jona lasa teo. Raha ny programan’asa manokana no asiana resaka dia tsy hita izay tena zava-baovao satria saika mitovy tamin’ny programa efa noresahan’ireo praiminisitra nifandimby teo aloha, tao anatin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao. Ny somary nampiavaka azy fotsiny dia fanatanterahana ny fifidianana afaka volana vitsy, izay laharam-pamehan’ny governemanta mijoro ankehitriny. Ny zavatra tsikaritra tamin’io fandalovan’ny governemanta vaovao teny Tsimbazaza io, izay tsy azo hodiana tsy hita, dia ny fahavitsian’ireo solombavam-bahoaka tonga nanatrika ny fotoana. Manodidina ny 50 teo fotsiny mantsy ny isan’ireo depiote tazana tao anatin’ny efitrano fivoriana, niaino ny famelabelarana nataon’ny praiminisitra Ntsay Christian, izany hoe iray ampatelon’ny depiote eo anivon’ny Antenimierampirenena. Raha ny lojika anefa, tsy tokony ho vitsy tahaka izany ny isan’ireo solombavam-bahoaka nanatrika io fotoana io satria vao sambany tamin’ity omaly ity no nanitsaka ny Antanimierampirenena, amin’ny maha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy, ingahy Ntsay Christian. Sady zava-dehibe no nataony teny Tsimbazaza, dia fanolorana ny programan’asa ankapobeany ny fanjakana izay ho tanterahan’ny governemanta. Fotoana tokony hisian’ny ady hevitra mafana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna, ireto farany izay tsiahivina ihany fa manana andraikitra lehibe amin’ny fanarahamaso ny asan’ny mpanatanteraka. Ity sary hita teny Tsimbazaza omaly ity dia mampiseho fa tsy nasian’ny ankamaroan’ireo depiote hasina loatra ny governemanta tarian’i Ntsay Christian. Hatramin’izay mantsy, tao anatin’izao fitondrana HVM izao, dia vitsy ihany ny depiote tsy tazana eny amin’ny Antenimierampirenena rehefa tonga eny an-toerana ny praiminisitra vaovao. Tsikaritra izany tamin’ny andron’i Kolo Roger, Jean Ravelonarivo ary Mahafaly Olivier. Tsara ny manamarika fa na ireo depiote manohana ny fitondrana, na ny avy amin’ny TIM sy ny Mapar, ary ny avy amin’ny tsy miankina, dia betsaka izy ireo no tsy tonga teny Tsimbazaza, omaly.

F.Tsihiavonana

Lire aussi