La Gazette de la grande ile

Filoha Hery Rajaonarimampianina: Hametra-pialàna afaka roa volana

Publié le 01 juillet 2018

Nivoaka omaly ny daty nandrasan’ireo rehetra izay hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, tsy inona izany fa ny tetiandrom-pifidianana ho amin’ity taona 2018 ity. Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian no nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy, omaly, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo. Ny 7 novambra 2018 no hanaovana ny fiodinana voalohany, ny 19 desambra kosa ny fiodinana faharoa. Tsy fantatra moa izay mety ho fiovan-javatra, na ny mety ho fiovan’ny toe-draharaha pôlitika eto amintsika fa raha ho voatazona io tetiandrom-pifidianana navoaka omaly io, dia roa volana sy herinandro sisa no maha filoham-pirenena an’ingahy Hery Rajaonarimampianina, raha mbola hirotsaka ho fidiana ny tenany mazava hoazy. Raha ny voalazan’ny lalàmpanorenana mantsy dia 60 andro mialohan’ny andro hanatanterahana ny fiodinana voalohany farafahatarany no tokony mametra-pialàna ny filoha am-perinasa raha toa ka mbola hirotsaka kandida. Raha ny 7 novambra ny datin’ny fiodinana voalohany, midika izany fa ny faha 7 ny volana septambra farafahatarany no miala eny Iavoloha i Hery Rajaonarimampianina, izany hoe afaka roa volana sy herinandro. Tsara marihana fa tsy noho ny krizy pôlitika handalovan’ny firenena malagasy, nanomboka ny 21 aprily lasa teo akory no antony tsy maintsy hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fa izay no efa voarakitra ao anatin’ny lalàmpanorenana. Vao nitsangana moa ny governemanta vaovao, ny 11 jona lasa teo, dia efa nandrasan’ny mpanara-baovao ny fivoahan’izay datim-pifidianana izay. Ny praiminisitra Ntsay Christian, nandritra izay valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly izay, dia mbola nanamafy hatrany fa ny firosoana amin’io fifidianana filoham-pirenena io ihany no vahaolana afahana mamoaka ny firenena ao anatin’izao disadisa pôlitika izao. Nanome toky ny vahoaka malagasy ny praiminisitra  fa hampiasa ny heriny rehetra ny governemanta tariany mba ho fifidianana madio sy mangarahara no ho tanterahina eto Madagasikara. Mikasika an’i Hery Rajaonarimampianina manokana, tsy mbola nilaza mivantana izy raha ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena, saingy raha mihaino tsara ny lahateny nataony teny Iavoloha, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo, dia azo inoana fa mbola mieritreritra ny hijanona eo amin’ny fahefana ny tenany, aorian’ity fepotoam-piasànany voalohany ity.

                                                                                          F.Tsihiavonana

Lire aussi