La Gazette de la grande ile

Filoha Hery Rajaonarimampianina : Iray volana sisa no maha filoham-pirenana azy

Publié le 07 août 2018

Ny 7 novambra ho avy izao, izany hoe afaka telo volana katroka no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenana fihodinana voalohany eto amintsika. Raha ny voalazan’ny andininy faha 46 ao anatin’ny Lalàmpanorenana, 60 andro mialohan’ny daty hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany no tokony hametra-pialàna ny filoha am-perinasa raha toa ka mbola hilatsaka ho fidiana, izany hoe ny faha 7 ny volana septambra ho avy izao. Raha ny hita aloha ankehitriny dia anisan’ireo kandidà ho filoham-pirenena amin’ity

taona ity ingahy Hery Rajaonarimampianina. Ny rantsan’ny antoko HVM any amin’ny Faritra raha teo efa niantso azy mba hirotsaka ho fidiana, nandritra ireo kaongresy rehetra natao tany amin’ireo Renivohi-paritany. Amin’ny herinandro ambony izao moa no hanatanteraka ny kaongresy nasionaliny any Antsiranana ny antoko HVM ka ho hita eo raha mbola ny filoha am-perinasa no hatolony ho kandidà amin’ny fifidianana. Midika izany fa iray volana katroka sisa dia hiala eny Iavoloha i Hery Rajaonarimampianina ary hamindra ny fahefana amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Hifarana afaka iray volana noho izany ny fitondrana Rajaonarimampianina ka anjaran’ny vahoaka andria-manjaka indray no hifidy izay ho filoham-pirenena vaovao hitondra ny firenena, mandritra ny 5 taona manaraka. Raha atao ny tombana sy ny jeritodika, tsy amim-pisalasalàna no hilazàna fa tsy nitondra voka-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy ny fitantanan’ny HVM, tao anatin’izay 5 taona izay. Ekena ary tsy azo lavina fa maro ny fotodrafitrasa naorin’ny fitondran-Rajaonarimampianina manerana ny Nosy, saingy raha ny fiainan’ny vahoaka no jerena dia tsy nisy ny fivoarana na kely aza fa ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Tsy nampiakatra ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny fitondrana mijoro ankehitriny, tsy nahavaha ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Faritra 22, tsy nahafehy ny fisondrotra ny vidim-piainana, sns sns. Eny fa na ny delestazy izay nampanantenaina tamin’ny vahoaka fa ho foana ao anatin’ny 3 volana aza dia tsy tanteraka ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Etsy ankilan’izany rehetra izany, azo antoka fa amin’ity anio ity no hamoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato ny governemanta, ho fanajàna ny 90 andro mialoha araka ny voalaza ao anatin’ny Lalàmpanorenan’ny repoblika fahefatra.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

 

 

Lire aussi