La Gazette de la grande ile

Antsirabe : Nahazo filohan’ny Fitsarana vaovao

Publié le 08 août 2018

Napetraka ho filohan’ny Fitsarana vaovao eto Antsirabe Ramatoa Ramasitera ny Haingo Nasoloharivelo, izy no hitantana ny fitsarana eto Vakinankaratra manomboka izao. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Fitsarana ambony avy any Antananarivo ary natrehin’ny Procureur général de la cours d’appel sy ireo fianakavimben’ny fitsarana ary ireo manam-pahefana avy eto an-toerana. Fitsarana marina, mahaleo tena, tsy mitanila, manakaiky ny vahoaka, manara-maso ny didim-pitsarana, ireo no andry ijoroan’ny fitantanana ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antsirabe manomboka izao. Nandritra ny lanonana manetriketrika nametrahana an-dramatoa Ramasitera ny Haingo omaly atalata dia nanambara ny tenany fa ny taona 2018 dia taonan’ny fitsarana satria tamin’ity taona ity no nametrahana ny « Haute cours de la justice », ny PAC na ny  » pôle anti-corruption » ary ny « cours spécial de bois de rose ».

Haingo R.

Lire aussi