La Gazette de la grande ile

HFI : ravao ny HCC

Publié le 08 août 2018

Nanao filaharana teny amin’ny HCC (Fahefana avo momba ny Lalàmpanorenana) omaly talata faha 07 aogositra 2018 ny fikambanana HFI na ny Hetsika ny tena fanorenana ifotony. Nangataka ny handravana ity andrim-panjakana ity izy ireo alohan’ny hanovana fifidianana satria mitanila ny fanapahan-kevitra raisin’ity andrim-panjakana ity hatramin’izay. Voalazan’ireto mpikambana eo anivon’ny HFI ireto koa fa isan’ny fototra ny olana misy ankehitriny ny HCC izay tarihin’ingahy Eric Rakotoarisoa satria niandany hatrany amin’ny fitanana ny filoham-pirenena ankehitriny izany. Voalazan’izy ireo koa fa tsy azo antoka ny hisian’ny fitsarana madio sy mangarahara ny raharaham-pifidianana izay hisy eto amin’ny firenena raha toa ka mbola ireo mpikambana ireo no hitondra ity andrim-panjakana ity. Hita taratra amin’ny fitsarana roa izay nataony izany amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny hoy hatrany ny fanazavana ka sarotra ny hinoana fa tena hitsara amin’ny tokony ho izy izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia efa iaraha-mahita fa misy ny fanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ataon’ny kandidà sasany nefa dia mijery izany fotsiny ity andrim-panjakana ity.

Eo anatrehan’izany dia tsy azo antoka ny hisian’ny tena fahamarinana amin’ny fitsarana ny raharaha momba ny fifidianana sy ny vokatra hotsaraina, hoy hatrany ny HFI raha tonga teny Ambohidahy izy ireo nitaky ny handravana ny HCC.

J.B.

 

Lire aussi