La Gazette de la grande ile

Izay tsara tohana amin’ny fihodinana faharoa no ho lany

Publié le 08 août 2018

Telo volana mialohan’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, mbola mipetraka ho baraingo lehibe ny kandidà mety hivoaka mpandresy, hametrahan’ny vahoaka malagasy fitokisana hitantana ny firenena, ao anatin’ny dimy taona manaraka. Ny eto Madagasikara rahateo rehefa misy fifidianana, tsy misy ny fanadihadiana na “sondage” matotra tahaka ireny fahita any amin’ny firenena mandroso ireny ka vinavina fotsiny no betsaka. Ny kandidà mety ho lany filoham-pirenena no mbola mijanona ho mistery ho an’ny maro, fa ny ho tafakatra amin’ny fihodinana faharoa kosa dia saika mitovy hevitra avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra fa ireo mpanara-baovao manaraka akaiky ny raharaham-pirenena. Ny zavatra tsapa rehefa alalinina tsara ny fizotran’ny toe-draharaha pôlitika eto amintsika, dia ho sarotra ny hiatrika ny fihodinana faharoa ho an’ireo kandidà ho tafita amin’izany dingana farany izany. Ny azo antoka dia hiankina betsaka amin’ny fiarahana eo amin’ireo samy mpirotsaka ho fidiana, na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe “alliance politique” no handresen’ny kandidà ho lany eo. Vao nanitsaka ny taona 2018 isika, na mbola tsy fantatra daholo aza ireo mety hilatsaka ho fidiana, dia efa novoizina foana fa olona telo no misongadina na “favori” amin’ity fifidianana filoham-pirenena manaraka ity. Tsy iza izany fa i Andry Rajoelina, Marc Ravalomanana ary ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina. Raha izay tokoa ny zava-misy, midika izany fa ny roa amin’izy telo lahy ireto no hifaninana amin’ny fihodinana faharoa, izay hotanterahina ny faha 19 desambra ho avy izao. Mipetraka ary ny fanontaniana: “iza no ho tohanan’ilay kandidà hitàna ny laharana fahatelo?” Iza amin-dRajoelina sy Rajaonarimampianina no ho tohanan’i Marc Ravalomanana raha toa ka tsy tafakatra amin’ny fihodinana faharoa ity filoha mpanorina ny antoko TIM ity? Raha raisina ohatra indray hoe i Ravalomanana sy Rajoelina no hifampitàna amin’ny dingana farany, iza no ho tohanan-dRajaonarimampianina? Na izany aza anefa, tsy azo odiana tsy hita na ambaniana ihany koa ny fisian’ireo kandidà maro mety manana tanjaka izay mety tsy ho tafakatra amin’ny fihodinana faharoa. Iza no ho tohanan’ireto farany amin’ireo kandidà roa hifaninana amin’ny dingana farany? Iza ohatra no mety ho tohanan’ny pasitera Mailhol, Fanirisoa Ernaivo na ingahy Paul Rabary? Heverina fa tsy azo tsinontsinoavina mihitsy ny fifanarahana na fiarahana pôlitika ao aorian’ny fihodinana voalohany satria hiankina betsaka amin’izany ny handresen’izay ho lany filoham-pirenena manaraka eo.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi