La Gazette de la grande ile

Lalam-pirenena voalohany : Fiara 4×4 iray voatafika, olona iray maty voatifitra

Publié le 08 août 2018

Miharatsy hatrany ny tsy fandriam-pahalemana amin’ireo lalam-pirenena, indrindra fa ny lalam-pirenena fahafito sy ny lalam-pirenena voalohany.  Omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora teo ho eo no niseho indray ny fanakanan-dàlana, tamin’ny RN1 Bis, tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Andolosilamo, eo anelanelan’i Tsiroanomandidy sy Maintirano. Fiara 4×4 iray nitondra mpandeha no norarafan’ny jiolahy tifitra variraraka teo am-pandehanana. Vokany, raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano ary olona 5 hafa kosa no naratra mafy. Mazava ho azy fa lasan’ireo jiolahy avokoa ny vola sy ny entana lafo vidy rehetra tany amin’ireo mpandeha voatafika. Mora ho an’ireo jiolahy no nanao izay fanafihana izay satria kilaometatra am-polony maro miala an’io toerana nitrangan’ny fanafihana io vao misy biraon’ny zandary. Tsy ny lalam-pirenena fahafito intsony ankehitriny no ahitàna fanafihan-jiolahy fa efa mihanaka any amin’ny lalam-pirenena maro eto amin’ny firenena. Milaza mandray andraikitra sy mikaroka vahaolana hatrany ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana kanefa miharatsy izay tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi