La Gazette de la grande ile

HCC: Rariny raha tsy matoky azy ny Malagasy

Publié le 09 août 2018

Maro amin’ny Malagasy no manahy korontana na krizy pôlitika vaovao, ao aorian’ny fifidianana filoham-pirenena ho tanterahina amin’ity taona ity. Ny azo ambara dia hiankina tanteraka amin’ny andrim-panjakana roa mijoro eto amin’ny firenena ny mety hisian’ny krizy na tsia eto Madagasikara, dia ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Ireto andrim-panjakana roa ireto mantsy no tompon’andraikitra voalohany rehefa miresaka fifidianana satria ny CENI no miandraikitra ny fikarakarana rehetra, ny HCC kosa no mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy, izany hoe mamoaka ny anaran’izay ho filoha vaovao hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka. Mikasika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana manokana, maro amin’ny Malagasy no tsy matoky ity andrim-panjakana ity ary rariny sy hitsiny izany fihevitra izany raha mijery ny fomba fiasan’ireo mpikambana ao anatin’io rafi-pitsarana io, indrindra fa ny filohany, Jean Erick Rakotoarisoa. Tsy hiverenana intsony angamba ny zava-niseho teto amin’ny firenena, tany amin’ny fiandohan’izao fitondrana HVM izao fa ny zava-nitranga tato anatin’ny volana vitsy no raisina ohatra. Tsy misy fihambahambana no itenenana fa tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy ny HCC fa misy ny fitongilanana amin’ireo raharaham-pitsarana raisiny an-tanana. Raha raisina ohatra ny fitoriana napetrak’ireo depiote 73 izay nitory ireo depiote vitsivitsy mpamadika palitao, iarahan’ny rehetra mahita fa mandrak’ity ny androany tsy mbola namoaka didy momba izay fitoriana izay ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsiahivina fa tany amin’ny faramparan’ny volana mey lasa teo no nametraka ny fitoriana teny Ambohidahy ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana, tsy mbola nivaly anefa izany roa volana mahery aty aoriana, noho ny antony tsy fantatra. Raha nitory ny filoham-pirenena anefa ireo solombavambahoaka 73, tsy ampy iray volana taty aoriana dia namoaka ireny didy nitarika ny fandravan’ny governemantan’i Mahafaly Olivier ireny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Inona noho izany no antony mahatonga ity rafi-pitsarana faratampony ity tsy mety mamoaka ny didy mahakasika ny fitoriana ireo depiote mpamadika palitao? Tsara anefa ny manamarika fa nanomboka tamin’ny andro nitsanganan’ny governemanta Ntsay Christian, ny 11 jona lasa teo, dia fanapahan-kevitra na didy am-polony no efa navoakan’ny HCC, mikasika indrindra ireo volavolan- dalàna maro samihafa lany teny anivon’ny Antenimierampirenena, nandritra ny fivoriana ara-potoana farany teo. Porofo iray mitohaka amin’ny tenda izany fa andrim-panjakana tsy azo itokisana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

Ohatra iray ihany izay nambara teo izay fa tsy ho voatanisa daholo ny zavatra ratsy na mamoafady nataon’ity rafi-pitsarana ity, hatramin’ny nijoroan’ny fitondrana HVM. Tsy mahagaga raha maro ny olom-pirenena milaza fa anisan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’izao fahapotehan’ny firenena izao ny HCC tarihin’ingahy Jean Eric Rakotoarisoa.

F.Tsihiavonana

Lire aussi