La Gazette de la grande ile

Monja Roindefo: Nanazava ny antony nanadihadiana azy ny Bianco

Publié le 09 août 2018

Raharaha iray nivoaka tamin’ireo gazety sy haino aman-jery sasantsasany eto Andrenivohitra, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly tamin’ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa resaka fiara izay fananan’ny primatiora ary mbola ampiasain’ity praiminisitra teo aloha ity no anton’ny fanadihadiana. Noho izany indrindra, namoaka fanambarana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Bianco, nitondra fanamarihana na fanazavana bebe kokoa mikasika io raharaha io mba ho fantatra ny be sy ny maro. Notsipihan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly tao anatin’ny fanambarana nataony fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto amin’ity firenena ity, na olom-pirenena tsotra na kandidà ho filoham-pirenena. Raha nisy ny tompon’andraikitra roa avy amin’ny Bianco no nanantona sy nanadihady ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, dia iraka avy amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) no notanterahan’izy ireo tamin’izany. Marihan’ity rafitra mahaleo tena ity fa efa eo am-pelatanan’ny PAC avokoa ny antontan-taratasy rehetra voarain’ny CPAC (Chaine Penale Anti-Corruption) ka anjaran’ny PAC ankehitriny no manao ny fanadihadiana rehetra. Misy raha teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Bianco sy ny PAC ka tsy tokony hahagaga ny fisian’ny delegasionina avy amin’ny Bianco no mamita iraka avy amin’io rafitra manokana miady amin’ny kolikoly io. Nanamafy moa ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly fa tsy fitaovana politika akory izy ireo, ary tsy mandray baiko velively avy amin’ireo mpitondra.

                                                                                             F.Tsihiavonana

Lire aussi