La Gazette de la grande ile

Ambalavao Tsienimparihy: Miparitaka ny vola sandoka, roa lahy voasambotra

Publié le 10 août 2018

Iray amin’ireo heloka goavana tsy mbola mety foana eto amintsika fanaovana vola sandoka. Ny zavatra tsikaritra tao anatin’ny taona vitsy izay dia any amin’ny  faritany no tena ahitàna izay fanaovana vola sandoka izay fa tsy eto Andrenivohitra. Isan’izany ohatra ity tranga niseho tany Ambalavao Tsienimparihy, Faritr’i Matsiatra Ambony. Tao anatin’ny andro maromaro izay dia misy ireo olona mitaraina ho nandray vola sandoka 2 alina ariary, tao Ambalavao. Nandray andraikitra ny mpitandro filaminana tao an-toerana ka tra-tehaka ny roa lahy niaraka tamin’ny vola sandoka 2 alina ariary miisa 64, na 1.380.000 ariary. Niaiky moa ireto roa lahy ireto rehefa nanaovan’ny mpitandro filaminana famotorana fa izy ireo tokoa no nanaparitaka ny vola sandoka tao amin’ny tanànan’Ambalavao Tsienimparihy, saingy tsy izy ireo no manamboatra ny vola fa misy ny tena atidoha mpikotrika izay mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra, ankehitriny. Tsara ny mampahatsiahy fa herinandro vitsy monja tao aorian’ny fivoahan’ny vola 2 alina ariary dia efa nahitàna an’io vola io sandoka sahady tany amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny.

                                                                                            F.Tsihiavonana

Lire aussi